EDITO 20 Desambra – Tsy menatra ny mandainga ny mpitondra eto amintsika

Helisoa

10 volana sisa raha ny tetiandrom-pifidianana dia hiala eo amin’ny fitondràna ny mpitondra ankehitriny, izay nilokaloka fa hitondra an’i Madagasikara ho any amin’ny ho avy mamirapiratra. Hisy araka izany ny fifidianana indray, izay hitondra ny tany sy ny fanjakàna amin’io taona 2023 io.

Hatreto aloha, raha ny teny miloaka ny vavan’ny mpitondra dia manantena ity fitondràna TGV ity, fa mbola hanohy ny fitondràna ny firenena izy ireo raha ny zavatra hita etsy sy eroa. Nisy ny fampanantenana araka ny nambara tetsy ambony, izay lasa tohizan’i Andry Rajoelina indray hoe io asa io dia ho vita any amin’ny 2025, sns… Ny nifanarahana taminy anefa araka ny fanambaràny dia ny hoe: ho vitaintsika ao anatin’ny 5 taona ireo tsy vitan’ny mpitondra teo aloha nandritra ny 60 taona.

Marobe ny fampanantenana tao anatin’ny velirano 13, kanjo mivadika zavatra hafa tato aoriana, fa tsy araka izay nampanantenaina 4 taona aty aoriana. Fa ny tena mibaribary dia ny fampanantenana teo aloha tsy vita, ny aty aoriana asesika ihany. Mody raisina kely ireny fampanantenana ireny raha vao mitabataba ny ao amin’ny tambazotran-tserasera dia hetsehina kely ilazàna fa hoe manao ilay asa ny mpitondra. Ny bus miisa 1000 izay hoe hafarana hampiasaina eto Antananarivo Renivohitra dia tena tsy menatra ny mandainga ny mpitondra tenin’ny Prezidansa Ramatoa Lova Ranonomaro milaza fa tsy izy sy i Andry Rajoelina, no nampanantena ireo Bus ireo, nefa izy tenany mihintsy no nilaza izany nandritra ny valandresaka nataony ho an’ny mpanao gazety.

Ny vahoaka aloha efa tonga saina, ka tsy manaiky ny lainga tsara lahatra intsony e! Soa fa efa misy ny tekonolojia vaovao ahafahana mijery ny zavatra nambara tamin’ny propavandy, ka ireny ihany no ampahatsiahivina amin’ny mpitondra ankehitriny, izay efa misy mametraka mihintsy hoe Rainilainga.