TOMPONDAKAN’NY FANJARIAN-TSAKAFO HOE ?

Io izany ilay lazaina hoe “amboaram-panesoana”
Ho an’ny olona mpandainga sady tia mampanantena!
Hita taratra mihitsy fa dia hoe nomemem-poana,
Raha toa jerena akaiky ny manjo ny firenena!

Maro no efa ianjadian’ny tsy anjarian-tsakafo:
Tsy mahita hovolena, tsy mahita izay harapaka.
Saingy any misy iray izay manam-be mitafotafo,
Tsy mba manana ahiana fa mihinana tsy tapaka!

Eny mandry ve ny sainy fa voarombany ny amboara,
Dia ny amboara mifanohitra amin’ny zava-misy iainana?
Taona vitsy nitondrany, potika ‘lay Gasikara.
Heno etsy sy eroa ireo tolokom-pitarainana!

Etsy misy gasy maty, etsy misy gasy noana,
Fa tsy manana sakafo nefa tsisy mba mitsetra.
Etsy kosa misy iray mibata amboaram-panesoana,
Sady miramirana endrika no vao mainka koa miletra!

…Io izany ilay lazaina hoe “amboaram-panesoana”.
Tsy maninona, asehoy, aleo hahita ny mpitazana.
Fa ho anay izay “gasy leo” dia io no mari-panehoana
Hoe ianao dia tompondakan’ilay hoe tsy fahombiazana!

IRINA HO TAFITA (16-12-22)