Antananarivo sy ny manodidina – Tandindonin-doza ny famatsiana rano sy rianaratra avy any Tsiazompaniry

Stefa

Misy ny fanambarana avy amina fikambanana miaro ny tontolo iainana maromaro, mahakasika ny olan’ny tany any Tsiazompaniry:

“Tandindomin-doza ny fiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny Firenena noho ny fibodoan’olon-tsotra ny faritr’ala, miantoka ny rano sotroina sy mamatsy ny rianaratra ho an’Antananarivo sy ny manodidina, izay ao Andriankely Tsiazompaniry kaominina Ambohimiadana distrikan’Andramasina faritra Analamanga. Izany dia tafiditra ao anatin’ny faritr’Ala tantanin’ny VOI Tsarafara nandritra ny 20 taona latsaka, nanomboka ny taona 2004 dia indro ankehitriny fa lasan’olona tsotra.

Niha-mafy hatrany ny disadisa teo amin’ity olon-tsotra ity sy ny fikambanana Tsarafara teo amin’io tany ao Andriankely io, izay lazainy fa Tsarahonenana, ka niakatra Fitsarana matetika ny raharaha. Teo anatrehan’izany dia nahazo rariny hatrany ny Fikambanana teo anatrehan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tany Ambatolampy, satria nidina ifotony ny fitsarana niaraka tamin’ireo Sampan-draharaham-panjakana sy Manampahefana voakasika nanamarina ny fizaran’ny tany ary hita fa tsy mifanindry mihitsy ny tanin’ity olona tokana ity, izay atao hoe Tsarahonenana sy ny tany Andriankely ao anatin’ny tany tantanan’ny VOI Tsarafara, fa mifanakaiky. Tsy nanaiky izany ilay olona te-hibodo ny tany, izay efa voajarin’ny Fikambanana an-taonany maro, niaraka tamin’ireo tantsoroka ara-bola sy ara-teknika, ka nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny Fitsarana aty Antananarivo indray. Nanjary resy indray ny Fikambanana ary voalaza fa mandoa onitra 10.000.000 Ar (Folo tapitrisa Ariary), sy miala amin’ny tany sy ny faritra efa nohajariany araka ny didim-pitsarana.

Manoloana io zava- misy io dia manaitra ny Fitondram-panjakana tandrify (tontolo iainana, Fitsarana), tarihan’ny hetsika ROHY sy ny mpiaradia aminy rehetra, isan’izany ny TAFO MIHAAVO, Alliance Voahary Gasy, sns… izay mitarika ny lohahevitra tontolo iainana sy ireo mpanao tantsoroka nitondra ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika, ho entina miaro ireo toerana sarobidy sy saropady ireo, satria miantoka ny fiainan’ny Fokonolona eny ifotony sy Faritra hafa manodidina ary Antananarivo renivohitra izany.

Hamafisina hatrany fa misy ny lalàna izay manome lanja ny Vondron’Olona Ifotony (VOI), amin’ny alalan’ny lalàna 96-025 ny famindram-pitantanana amin’ny fandraisana anjara ny fitantanana lovainjafy ny Harena Voajanahary, ka angatahanay ny hanohanan’ireo tompon’andraikitra rehetra ireo ny VOI miaro sy mitantana ny Harena Voajanahary ary hijerena akaiky sy hanampy azy amin’ny famahana ireo tsindry izay mianjady amin’izy ireo.

Marihana hatrany fa maro ny asa fanajariana efa nataon’ny VOI Tsarafara, toy ny fambolen-kazo isan-karazany (hazo zanatany, kininina, sns…) tamin’ny velaran-tany aman-jatony ha, tafiditra ao anatin’izany ny ao Andriankely. Noho izany indrindra no nahatonga ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovainjafy nanome fitokisana indray ny VOI Tsarafara, taorian’ny tomban’ezaka sy fanjohiana nataony, ka nanavao indray ny famindram-pitantanana ny faritra’ala amin’ny VOI ho an’ny folo(10) taona manaraka, ny Desambra 2021 hatramin’ny Desambra 2031.

Ka eto izahay dia manaitra ny avy ao amin’ny Fitsarana sy ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra, satria tena tsy ekena ny fanaovana tsindry ireo Fokonolona sy ireo VOI manao ny aina tsy ho zavatra, ho fiarovana ny Tontolo iainana, izay tombontsoa iombonana araka ny fanomezam-pahefana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo ianana sy fandrosoana lovain-jafy.

Aoka tsy ho ataontsika antsirambina, ka omena hanjakan’olon-tokana ny fahefana hitantana faritr’ala manan-danja ary antoka ho an’ny faharetan’ny rano ao Tsiazompaniry ho tombontsoan’ny besinimaro.”