Misy raha tsy milamina – Toa nametra-pialana ny governoran’ny Banky Foibe

Ny Valosoa

Misy raha tsy milamina eo amin’ny sehatry ny vola eto amintsika, araka ny vaovao voaray toa nametra-pialana noho izany ny governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Henri Rabarijohn.

Araka ny loharanom-baovao eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny vola eto amintsika, fantatra fa nametra-pialana tsy ho governoran’ny Banky Foibe intsony izy, izay efa nitana izany andraikitra izany nanomboka ny volana novambra 2019. Na izany aza, tsy misy hatreto ny fanambarana ofisialy. Andrasana ihany koa ny mety ho fanendrena ny ho solony amin’ny filankevitry ny minisitra manaraka. Ny zavatra misy eo amin’ny sehatry ny vola, sy ny vola vahiny eto amintsika, nitontongana be izay tsy izy ny vola Malagasy amin’izao fotoana, oharina amin’ny vola vahiny, raha oharina amin’ny euro iray ny Ariary, efa mananika ny 4600 Ar ny 1 euro.

Ankoatra izany, iaraha-mahalala koa ny kolikoly sy ny trafika isan-karazany misy amin’izao fitondrana izao, mety mifandray amin’izao fametraham-pialana izao koa izany.