Dis-TIM Antalaha – Biraon’ny COMTIM amin’ny kaominina miisa 2 indray no tafajoro

Isambilo

Manohy ny fanetsehana ny any ifotony ihany koa amin’izao fotoana ny biraon’ny DISTIM any amin’ny distrikan’Antalaha faritra Sava, tarihan’Andriamatoa Joël sy ireo mpiara-dia aminy.

Araka ny nambaran’izy ireo: “miroso tsikelikely amin’ny fananganana Comtim ato anatin’ny Distrikan’Antalaha ny Distim sy ny ekipa, ka tamin’ity herinandro ity dia COMTIM roa no voatsangana dia ny tany Ambalabe Sahantaha, sy tany Ampahana.”

Manentana ny rehetra feno taona ihany koa ny Distim Antalaha mandritra izany, ny hidiran’izy ireo ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ary mila arahi-maso fatratra izany, mba tsy hisian’ny hosoka sy ny doublons intsony indray.