Filoha Ravalomanana tany Tsi/didy – Tsy misy fifanarahana ambadika izany aminay sy ny filoha Hery

Isambilo

Tao aorian’ny tany Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony, ny tany amin’ny faritra Bongolava indray omaly, no nanamarika ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tamin’izany ihany koa no nanatanterahana tao Bel’Air Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny kongresim-paritry ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity.

Nahitsy ny tenin’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM nandritra izany, momba ny resaka mandeha amin’ny tambazotran-tserasera, mahakasika ny fifidianana ho avy. Tsy misy fifanarahana ambadika izany eo aminy sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hifaninana amin’ny fitondrana misy amin’izao fotoana. Nambarany fa:” Tsy misy fifanarahana any ambadika izany, fa tsy misy hafeniko aminareo izany. Tsiroanomandidy, Faritra Bongovola : faly tena faly aho afaka nihaona nivantana taminareo tonga maro be androany! Efa natomboka ny fanisana ny mpifidy ary hikatona tsy ho ela amin’ity faran’ny taona ity izany. Zavatra roa maika no tsy maintsy atao:
– Manentana ireo mpikambana sy ireo olona rehetra tonga taona mba hanoratra ny anarany.
– mila MAILO isika, ka hanara-maso ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, satria mety hisy ny hosoka sy fampidirana olona tsy ao amin’ny fokontany na ankizy tsy ampy taona.
Ilaina ny FAHASAHIANA sy ny fandraisana andraikitra.
Homba antsika mandrakariva Andriamanitra,” hoy ny fanambarana anisan’ny nataony tamin’izany.

Nandritra izany ihany koa no nanambaran’i Dada, fa omena sehatra manokana ny vehivavy sy ny tanora ao anivon’ny antoko. Hita sy tsapa tany an-toerana fa sahy, mino, ary mijoro i Bongolava, hipoka tanteraka ny toerana nomanin’ny tany an-toerana.