Fahasalamana – Rà tokony homena maimaimpoana varotana Hopitaly

Nangonin’i Niaina

Nitondra ny fitarainany tamin’ny gazety ny olona nitondra marary tamina Hopitaly ka nila rà. Namidin’ireny Hopitaly ireny hoy izy ny rà tokony homena maimaimpoana:

“Misy zavatra tena mampalahelo miseho amin’ireny hôpital ireny, ary tsy vao androany fa efa ela. Ka tsy fantatro na mba efa sendra izany ianareo na tsia. Mpanome rà matetika aho dia ohatrany maleho ihany mahita ny zava-misy. Ny nanomezako rà maimaimpoana dia mba hoan’ny mpiray tanindrazana, fa tsy hamidy amin’ny mpira- tanindrazana sanatria.

Toy izao anefa ny zava-mitranga sy ny zava-misy: mpanome rà antsitrapo, maimaimpoana, ary efa manana carte donneur de sang. Fa efa in-3 aho izay no nitondra fianakaviana akaiky (rahalahy mpiraitampo) narary mafy mila fandidiana, tamin’ny Hopitaly 3 samihafa no nisy ilay tranga. Raha tsy manana olona hanolo rà ianao dia mividy 70.000 Ar na 50.000 Ar ny poche, tsy hahasahy hitaky facture moa ny tena sao dia ho tsizarizary ny fitsaboana azo fa dia nilefitra. Mba nisy fotoana nitondra ilay carte donneur de sang, mba hahazoana na poche iray fotsiny aza, fa vava indray no azo tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana hoe: “aza manome rà raha miandry tambiny…”

Ny tokony ho izy anefa; voalohany: raha manana carte donneur de sang. Faharoa: vokatr’ireo mpanome rà maimaimpoana an’arivony maro ireny dia tokony tsy hamidy ny rà ao amin’ny Hopitaly, na farafaharatsiny mba homena ireny olona mahantra tsy manana namana na havana hanolo rà ireny, satria rà nomena maimaimpoana ireny. Tsy mbola nahita ary tsy mbola naheno olona nahazo na nisitraka rà maimaimpoana ny tenako hatramin’izay. Ny efa hitako dia na efa ho faty aza ny marary dia tsy mandeha ny opération raha tsy efa hitan’izy ireo maso ny olona 12 hakana rà 6 poches ohatra. Ny rà azo maimaimpoana dia tsy tokony hamidy. “