Fanapotehana ny manam-pahaizana – Mila fehezina ny fomba ratsin’ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Hatrany amin’ny olom-pirenena avara-pianarana sy noheverina ho ataon’ny mpiray tanindrazana môdely, no ahiana ho manana toe-tsaina mamohehitra amin’izao fotoana izao. Raha izany tokoa dia potika tanteraka ny maha izy azy izao firenena izao ary efa any amin’ny farany fikorosoana fahana tanteraka ny malagasy.

Anisan’ny nanaitra mafy ny sain’ny mpanara-baovao sy mpamakafaka, ny nandre andro vitsy lasa izay tamin’ny fotoana nisian’ny hetsika fitokonana nataon’ireo mpianatra ho mpampianatra vita fianarana eny amin’ny ENS Ampefiloha. Ankoatra ny zava-nitranga teny an-toerana tamin’ny hetsika nataon’izy ireo, dia nisy ny feo nandeha nivoaka avy eny amin’ny tomponandraikitry ny Oniversiten’Antananarivo, nilaza fa ny amin’ny hakàna ny anaran’ireo mpitarika ny hetsika. Vao re izany teny izany, ny nandehan’ny sain’ny maro dia ratsy avy hatrany. Tsy maintsy hiafara amin’ny famaizana sy famotehana ireo mpitarika izany hevitra izany, hoy ny mpahalala satria efa mpitranga tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao izany fomba ratsy izany. Izay mpitarika ny hetsika rehetra tamin’ny sehatra samihafa dia nitadiavana fomba ratsy hamotehana azy ireo. Nahoana no olona heverina ho mpanabe, malala-tsaina sy manana fijery ambony no miray petsapetsa ratsy miara-mirefarefa toe-tsaina amin’ny mpanao politika maloto ankehitriny eto amin’ity firenena ity, raha tena izany tokoa no fikendrena ao anatin’izany? Dia tsy hihevitra na kely akory aza ve ireo olona ireo fa hisy fiantraikany ratsy amin’ny fomba fijerin’ny olom-pirenena, na ny fiaraha-monina mihitsy izany, ka hametraka toerana ratsy amin’ny Oniversite, izay mba hany sekoly ambony tsy andoavam-bola azon’ny zanaky ny sarambabem-bahoaka malagasy idirana?

Fomba ratsy fahita tato anatin’izao fitondrana izao tato anatin’ny efa-taona ny famoretana sy ramatahora ary miafara hatramin’ny fanapotehana mihitsy aza, toy ny fampidirana am-ponja izay olom-pirenena mitarika amin’ny hetsika amin’ny sehatra samihafa. Hita niharihary izany ny tany amin’ny orinasa kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar, na tany amin’ny sehatry ny fitsaboana na tamin’ny sehatra politika, sns… N’inona n’inona fanazavana, tsy misy adihevitra fa tsy hampandroso ny firenena velively izany na hihodin-kavia, ho any amin’ny tatsinanana, na hihodin-kavanana handohalika amin’ny tandrefana aza ny fitondrana. Ary ny fanapotehana ny tanora malagasy avara-pianarana tokony hampianatra sy hanabe dia vao mainka loza mitatao ho an’ny firenena.

Raha mbola ny resaka sy kajikajy politika no an-dohan’ny mpitondra ankehitriny isak’izay zava-mitranga toy ireny, dia sasara-ko hariva ny andro, fa tsy hisy zava-banona eto. Tsy tokony handrasana anefa izay fotoana higadonan’izay hahapotika tanteraka ny firenena izay, izao ary efa manahirana ny saina ny zava-mitranga, mba tsy hotsarain’ny taranaka any aoriana sy ataony anaty kitapo iray, fa mila mandray fanapahan-kevitra hentitra ny olom-pirenena saro-piaro amin’ity firenena ity.