EDITO 17 Desambra – Fitondrana Rajoelina – Tsy manana politika mahomby amin’ny fitantanana mponina mihitsy

Sôh’son

Anisan’ny tsy hain’izao fitondrana Rajoelina izao mihitsy ny politika momba ny mponina. Izany hoe zara raha miasa fa tsy miasa ny ao amin’ny minisitera misahana ny mponina sy ny fitondrana. Tsy voafehy ny tontolo momba ny mponina toy ny fitomboany, ny fiahiana sy ny fitsinjovana azy, ny fiaimpiainany amin’izay hahasoa sy hahatsara azy, indrindra eo amin’ny tany onenany eo, sns… Hatreto, tsy hita izay politika mazava na fepetra noraisin’ny fitondrana Rajoelina momba ireo mponina iharan’ny herisetra sy antsojay ataon’ny jiolahy sy dahalo, hany hery miafina any anaty ala na voatery mihitsy mifindra monina. Mazava loatra, manampy trotraka ny fahavoazan’izy ireo ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro. Kanefa tsy tokony ity farany no hialan’izao fitondrana izao bala amin’ny tsy fahaizana mitondra firenena, satria azo nosorohina izany raha nanana politika hentitra sy mazava hatrany am-piandohana nitondra firenena.

Raha nahay nitondra firenena izao fitondrana Rajoelina izao, tsy nisy mponina niàla amin’ny tany onenany izany eto. Natao an-tsirambina ny fitantanana azy ireny, toy ny tsy fijerena ny tany famboleny, ohatra. Misy izao re, fa tsy nanana olana ny mponina tao amin’ilay faritra taona maro tany aloha, fa ankehitriny, nihena be ny tany azony hambolena noho ny fihenan’ny sori-drano manondraka ny tany famboleny. Ny fitondrana no tomponandraikitra amin’izany ary mariky ny tsy fahombiazany amin’ny fitantanam-pirenena sy ny fitsinjovana ireo tantsaha mpamboly izany, no fanaoavana ambanin-javatra ny fambolem-bary eto amin’ny firenena. Izao, tsy fantatra marina ny velaran-tany ho foana amin’ity fanaovana lalambe migodana miantsinanana ity, fa ny naderadera haingana be dia ny amin’ny fanonerana ireo voa amin’izany. Misy mihitsy aza ny manahy mafy ny amin’izany, sao hitovy amin’ny manjo ny mponina any Arivonimamo amin’ny taniny hanorenana ity lazaina ho tanàna vaovao. Ny tany fambolena eto amin’ny firenena hita miharihary fa mihena, saingy ny ezaka famoronana tany fambolena vaovao tsy hita soritra mazava. Mazava loatra, fa misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny mponina na ny vahoaka Malagasy izany.

Ny isan’ny mponina mihazakazaka mitombo, ary tsy voafehin’ny fitondrana noho ny tsy fananany politika mazava, ny famokarana na ny voka-bary anefa mihena. Fidedahana tsotra izao, fa tsy misy fandinihana lalina ny fihetsiky ny fitondrana hanafatra hatrany vary avy any ivelany. Endrika iray lehibe maneho mazava ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina amin’ny politika fitantanana ny mponina izany. Tsy atao hahagaga araka izany raha faraidiny indrindra raha samy vahoaka maneran-tany ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy mampaninona izao fitondrana izao anefa izany matoa izy sahy midehaka, ho tompon-daka maneran-tany amin’ny fanjarian-tsakafo sy mandray izany amboara izany. Toa fanesoana ataon’ny olona ihany anefa izany maha-tompon-daka azy izany, satria vao mainka miha-mitombo ny kere, sy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika, noho ny mponina miha-mahantra, mahantra hatrany.