RY SOLOMBAVA MARO AN’ISA

Hay ve depiote voageja fa tsy manana safidy
Ireto mba mirehareha ho maro an’isa eto an-tanàna?
Mpanambola no mibaiko, mpanambola no mandidy
Dia mifitsaka tanteraka, eny, hatramin’ny vavàna?

Izany ve no mba voafidy hitondra tenin’ny vahoaka,
Nefa vola no tompoina, vola no iankohofana?
Raha vao hoe voakitikitika na ny seza na kapoaka
Dia ny mpanambola hatrany no elobe atao hialofana?

Dia ahoana ireo vahoaka nolazaina fa arovana,
Nefa maro no efa reraka, efa tsy mihinan-kanina?
Sao ny eny Tsimbazaza no efa feno fahalovana,
Fa voatampina ny vavany ka dia modimody fanina?

…Mpanara-maso ve ‘nareo sa tena hoe mpanaraka efa
Ka izay hahazoana vola no hany tena tarigetra?
Mandiniha raha fomba ambany, ratsy sy mirefarefa,
No ampiasainareo voafidy eo amin’ny sehatra rehetra!

TSIMIMALO (12-12-22)