Sofia: DAF voarohirohy ho namono olona – Tsy rariny ny famoahana ny fonja azy hoy ny finakavian’ny maty

Ny Valosoa

Roa andro tao am-ponja monja dia navoaka ny DAF ny faritra Sofia, nandona ka nahafaty olona tany Ambendrana‚ fokontany Ankiririky‚ kaominina Ambonivohitra Antsohihy.

Manoloana izany, nampiaka-peo ny fianakavian’ny maty, fa tsy rariny izao famoahana am-ponja ity tale ao amin’ny faritra nandona nahafaty olona ity, satria nandositra tsy hita izy tao aorian’ny fandonana, tratra ihany anefa rehefa natao ny fikarohana. Raha ny sabotsy izy no nampidirina tao amin’ny fonjan’ny renivohitry ny faritra Sofia, ny alatsinainy ihany dia efa navoaka. Iampangana azy anefa ny fandosirana, sy ny tsy fandraisana andraikitra tamin’ny olona nodoniny, izay tokony hisazy MD, na fampidirana am-ponja mandritra ny 8 volana.

Taorian’ny fanadihadiana sy fidinana ifotony nataon’ny mpitsara mpanao famotorana ny sabotsy 10 Desambra 2022 teo dia noraisin’ny fitsarana mpanao famotorana ny fanapahan-kevitra mampiditra vonjy maika ity DAF ny Faritra Sofia ity‚ tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Olona roa no voarohirohy amin’ity raharaha ity‚ DAF ny Faritra Sofia izay efa naiditra am-ponja vonjy maika sy olona iray hafa izay tsy naiditra am-ponja fa nalefa nody tamin’iny fotoana iny.

Nampakatra ny raharaha teo anivon’ny rafitra misahana ny fitànana am-ponja ny Mpisolovava ny DAF momba ity raharaha ity‚ nisy araka ny fandinihana manokana nataon’ireo mpitsara mpikambana ao anatin’ilay rafitra ny alatsinainy 12 Desambra 2022 teo, ka nanapa-kevitra izy ny hanafoana ny fitànana am-ponja vonjy maika  araka ny fanazavana nataon’ny Lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy‚ Ramorasata Naivotodisoa Jessé. Tsy manaiky izao fanapahan-kevitra izao ny havan’ny maty, fa hitondra ny raharaha amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly, sy ireo mpiaro ny zon’olombelona.