Mpiaro zon’olombelona maro eto sy any ivelany – Miantso ny mpitondra hanatsahatra ny fiampangana ireo mpiaro zon’olombelona

Nangonin’Isambilo

Tokony hatsahatry ny fanjakana ny fiampangana an’ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly, hoy ny fikambanana maro miady amin’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona eto amintsika sy any ivelany, araka ny fanambarana nataon’izy ireo:

“Noho ny fotoana nankalazan’izao tontolo izao ny Andro Iraisam-pirenena hiadina amin’ny Kolikoly sy ny faha-24 taonan’ny fankatoavana ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny Mpiaro ny Zon’olombelona tamin’ny andro 9 Desambra 2022, izahay, fikambanana sy olon-tsotra mpanao sonia eto ambany, dia manentana ny firenena mpikambana rehetra ao amin’ny Firenena Mikambana mba hampitsahatra ny fiampangana an’ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly, ary hanaja, hiaro, hampiroborobo ary hanatanteraka ny zon’olombelona rehetra, anisan’izany ireo miasa hampiroborobo sy hiaro ny zon’ny hafa sy hiady ary hanala sarona ny kolikoly.

Ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly (anatin’izany ny mpanao gazety, mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena, mpisintona lakolosy, ary ny hafa) dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fisorohana sy ny ady amin’ny kolikoly ary ny fampiroboroboana ny zon’olombelona. Nandritra ny taona maro dia nandray anjara tamin’ny fanadihadiana sy ny fampiharihariana ny fanaovana kolikoly, ny fitakiana ny mangarahara, ny fandraisana andraikitra ary ny fiarovana ny zon’olombelona izy ireo. Tsikaritray anefa fa matetika tsy ekena ho mpiaro ny zon’olombelona ireo izay miasa hampiharihary ny kolikoly, ary mety tsy ho hitan’ny vondrom-piarahamonina mpiaro ny zon’olombelona ny ezaka ataon’izy ireo na heverina fa misaraka amin’ny asa momba ny zon’olombelona.

Marihina fa ny anjara asa sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly amin’ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny kolikoly dia efa eken’ny maro ao anatin’ny fitaovana iraisam-pirenena sy isam-paritra iadiana amin’ny kolikoly, anisan’izany ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana hiadivana amin’ny Kolikoly (UNCAC) nolaniana tamin’ny taona 2003. Ny UNCAC dia mitaky amin’ireo antokom-panjakana hampiroborobo ny “fandraisana anjara mavitrika” an’ireo mpiaro ny ady amin’ny kolikoly, amin’ny alalan’ny “fanajana, fampiroboroboana ary fiarovana ny fahafahana mitady, mandray, mamoaka ary manaparitaka vaovao momba ny kolikoly” (Andininy faha-13). Ankoatr’izay, ny fanambarana ara-politika momba ny kolikoly nolanian’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 2021 dia nanamafy ny fanoloran-tenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanaiky ny andraikitra lehibe amin’ny fikarohana, fisorohana ary ady amin’ny kolikoly ataon’ny fiarahamonim-pirenena, ny tontolo akademika, ny sehatra tsy miankina ary ny haino aman-jery.

Manahy mafy izahay ny amin’ny firongatry ny herisetra, fandrahonana, fanorisorenana, fampitahorana, fanafihana sy fanenjehana ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly ary ny tsy fisian’ny fanasaziana izany any amin’ny firenena maro. Ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly dia mbola miatrika loza mety hitranga aminy toy ny fanafihana ara-batana, fisamborana tsy ara-dalàna, ary fanenjehana noho ny fampiharana ny zon’olombelona, anisan’izany ny fahalalahana maneho hevitra, manao fikambanana ary mivory am-pilaminana. Ary ny fanjakana dia manohy mamoaka lalàna hamerana ny fahafahana hahazo vaovao nefa tsy manao hetsika mahomby hisorohana ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanafihana an’ireo izay sahy manambara ny kolikoly sy ny fiantraikany amin’ny zon’olombelona, ary ny hitondrana ireo ahiahiana ho tompon’antoka eny anivon’ny fitsarana.

Marihina fa ny Rapporteur manokan’ny Firenena Mikambana momba ny toe-javatra iainan’ireo mpiaro ny zon’olombelona dia namoaka tatitra vao haingana momban’ireo tranga maromaro momba ny herisetra, fandrahonana, fiampangana, fanorisorenana, fanafihana ary fanenjehana ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly. Araka ny tatitra, aman-jatony ny mpiaro eran-tany izay miatrika fanaratsiana, fiampangana heloka bevava, ary sotasota ara-pitsarana, ary isan-taona dia misy ireo novonoina noho ny asa am-pilaminana nataony ho fiarovana ny zon’ny hafa. Vitsy dia vitsy ireo nahavanon-doza noraisina ho tompon’andraikitra amin’ireny vono olona ireny, izay vao mainka namela ny tsingerin’ny famonoana hitohy.

Marihina ihany koa fa ny fanafihana sasany amin’ireo mpiaro ireo dia herisetra atao noho ny tsy fitoviana ara-pananahana ary maro ireo mpiaro no voampanga noho ny asany ao anatin’ny fotoanan’ny valan’aretina Covid-19 na ny ady amin’ny kolikoly miantraika amin’ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Matetika koa ny vehivavy mpiaro ny zon’olombelona miasa manohitra ny kolikoly dia tsy noho ny zavatra ataony ihany fa noho ny maha-vehivavy azy.

Mbola mahazo tatitra momba ny fitomboan’ny fandrahonana sy ny fanafihana ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly izahay, anisan’izany ireo mpisintona lakolosy. Izany dia fanitsakitsahana mazava ny zon’olombelona eken’ny sehatra iraisam-pirenena ao anatin’izany ny zo fahafahana miaina, ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahafahana manao fikambanana, ny zo fahafahana mivory am-pilaminana, ny zo fahafahana mahazo vaovao ary ny fahalalahan’ny haino amanjery.

Ny fandrahonana, ny fampitahorana, ny fanorisorenana ary ny fanenjehana dia mampiseho ihany koa ny fanitsakitsahana ny adidy ara-dalàna ananan’ireo fanjakana eo ambanin’ny fifanarahana isan-karazany momba ny zon’olombelona izay iraisan’izy ireo ho antokom-panjakana, ary mino izahay fa ilaina ny manaja, miaro, mampiroborobo ary manatanteraka ny zon’ny mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly, mba hiantohana ny fampiroboroboana sy fiarovana ny zon’ny olonkafa, ary hanatsarana ny fampiharana ny adidy ara-dalàna ataon’ny fanjakana eo ambanin’ny fifanarahana momba ny zon’olombelona sy ny ady amin’ny kolikoly izay iraisan’izy ireo.

Koa manao antso avo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana izahay mba:
• Hanangana tontolo iainana azo antoka, mba hahafahan’ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly, manatanteraka malalaka ny asany ao anatin’ny fanajana feno ny zon’olombelony sy ny fiarovana ny zon’olombelon’ireo olon-kafa ary ny ady amin’ny kolikoly tsy misy tahotra valifaty;
• Hifidy sy hampihatra ny lalàna sy ny fepetra hafa ho fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly, raha mbola tsy misy izany, ary atao mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona sy ny ady amin’ny kolikoly izany;
• Hanaja, hiaro, hampiroborobo ary hanatanteraka ny zon’ny tsirairay amin’ny fahalalahana maneho hevitra, fahafahana manao fikambana, mivory am-pilaminana ao anatin’izany ny zon’ireo miasa hampiroborobo sy hiaro ny zon’ny hafa sy hiady sy hanala sarona ny kolikoly, araka ny andininy faha-13 ao amin’ny UNCAC;
• Atsaharo ny tsimatimanota amin’ny alalan’ny fanadihadiana lalina, tsy mitanila, mahaleo tena, mangarahara ary mahomby, ireo tatitra momba ny fanafihana an’ireo mpiaro ao amin’ny fireneny, ary ny fitsarana ireo olona ahiahiana ho nanao heloka bevava, ary ny fiantohana ny rariny sy ny fitsaboana mahomby ho an’ireo niharam-boina.”
• Manaiky ampahibemaso ny lanjan’ny asan’ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly ary miampanga ny fandrahonana sy ny fanafihana azy ireo, mifanaraka amin’ny fepetra voalazan’ny UNCAC, ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny Mpiaro ny Zon’olombelona, ary ny fifanarahana momba ny zon’olombelona, anisan’izany ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zo Sivily sy Politika.”