Filoha Ravalomanana – Akaiky sy tsy misy elanelana amin’ny vahoaka hatrany

Helisoa

Vita soa amantsara ny fankalazàna ny tsingerintaona nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana tany Fianarantsoa, ny alatsinainy 12 desambra lasa teo. Teo ihany koa ny nanaovan’ny antoko TIM ny kongresim-paritra ho an’ny faritra Matsiatra Ambony. Talanjona ny rehetra, fa na andro alatsinainy fiasana sy fianarana aza dia tsy nahasakana ireo mpikatroka TIM marobe, sy ireo fikambanana maro ary olon-tsotra izany andro alatsinainy izany.

Rehefa vita izany dia nitodi-doha hody taty an-drenivohitra ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo delegasiona niaraka taminy. Tamin’ny lalana izay nandalovany toy ny tao Alakamisy Ambohimaha, Ambohimahasoa, Camp Robin,… dia tsy nandalo fotsiny ny filoha Marc Ravalomanana, fa nitafa sy nijery ny olana mahazo ireo mponina tamin’ireo tanàna ireo. Toy ny ray amandreny sy zanaka izy ireo tamin’izany, ka dia nilaza ny tao ampony ireto farany. “Mijaly zahay Dada, mila anao miverina eo amin’ny fitondràna izahay. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, ny ankizy tsy mianatra, sarotra ny fiainana ary tsy misy fijerena ny sosialim-bahoaka. Tamin’ny fotoana nitondrànao mora ny sakafo toy ny vary, nisy ny fitsinjovana anay tantsaha amin’ny resaka zezika. Izao izahay tsy misakafo ara-dalàna intsony satria ny varotra kely izay atao, tsy misy mpividy.” Nampiseho ny maha tantsaha azy ny filoha Marc Ravalomanana, ka tena nihaino ny fitarainan’izy ireo ny tenany. Aza matahotra hoy izy, fa mbola ho avy ny fotoana hijerena anareo, fa mila maka fahefana isika amin’ny alalan’ny fifidianana madio raha te ho afaka amin’izao fahasahiranana izao.

Teto dia nampisehoan’ny filoha Marc Ravalomanana ny maha tantsaha azy, ka tsy tantiny ny nahita ireo tanora niasa tany rehefa nandalo tao Ambohimahasoa ny tenany. Avy hatrany izy dia nirotsaka nanampy ireo zatovolahy, ka nampiseho azy ireo ny fahaizany miasa tany ary nanoroany ny zavatra tokony hatao amin’ny resaka fambolena. Hita taratra tamin’ny zava-nisy nandritra ny dian’ny filoha Marc Ravalomanana tany Ambohimahasoa iny, fa tena mifandray am-po amin’ny vahoaka Malagasy izy. Tsy nisy ny elanelana teo amin’ny roa tonta, fa tena mifampiresaka ohatra ny zanaka sy ray amandreny.