Manam-pahaizana amerikana – Manampy ho amin’ny kalitaon’ny rivotra eto amintsika

Niaina

Manampy an’i Madagasikara hamantatra kokoa ireo endrika isehoan’ny fahalotoan’ny rivotra iainana sy ny ambana aterak’izany manerana ny Nosy ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny governemanta amerikana. Efa ho Malagasy iray ao anatin’ny telo no maty aloha loatra noho ny loton’ny rivotra iainana. Ny antsasamanilan’ireo fahafatesana ireo dia vokatry ny fahalotoan’ny rivotra iainana avokoa. Mampitombo ny tahan’ny aretina sy fahafatesana eto an-toerana ny fiainana anaty rivotra, rano ary tany maloto, araka ny voafaritra ao anatin’ny Drafitr’ Asan’i Madagasikara momba ny Fahasalamana sy ny Faha-lotoan’ny Rivotra Iainana.

Nisy ny fanarahamaso nitety vohitra ny kalitaon’ny rivotra iainana nataona ekipana manam-pahaizana manokana amin’ny sehatry ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny zon’olombelona notanterahina ny 25 novambra hatramin’ny 8 desambra lasa teo, teto an’Antananarivo hatrany Taolagnaro. Ny Dr. Linda Geiser avy amin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Ala sy Dr. Lova Marline avy amin’ny Fikambanana Vahatra – Kew Madagascar Conservation Center no nitarika izany fanarahamaso izany. Nanentana ny amin’ny maha-zava-dehibe ny kalitaon’ny rivotra iainana izy ireo nandritra ireo andiana famelabelaran-kevitra natao tao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, sy tao amin’ny American Corner Taolagnaro, ary teto amin’ny Masoivoho Amerikana teto Antananarivo.

Nandritra izany izy ireo dia nampirisika ireo olom-pirenena siantifika mba handrefy ny lo-ton’ny rivotra iainana ary koa ireo fokonolona sy oniversite mba handray anjara amin’ny ezaka fanarahamaso ny kali-taon’ny rivotra. Nitondra fitaovam-pandrefesana ny kalitaon’ ny rivotra, napetraka teo ambony tafon’ny fiara nentiny ny ekipa nahafahany nandrefy ny kalitaon’ny rivotra tamin’ireo faritra nolalovany niainga teto Antananarivo ka hatrany Fianarantsoa, ary nanaraka ny morontsirak’i Mananjary ka hatrany Taolagnaro.

Norefesin’izy ireo ihany koa ny kalitaon’ny rivotra ao anatin’ny faritr’ala tao Ranomafana, sy Manombo ary Nahampoana. Mitsidika an’i Madagasikara i Dr. Geiser mba hiara-hiasa amin’ ireo manam-pahaizana Malagasy manokana toa an’i Zo Rakotomavo, mpamantatra ny toetry ny andro, sy Dr. Lova Marline, mpikaroka, izay mitarika ny fampiasana ireo fitaovam-pandrefesana hoenti-mamantatra bebe kokoa ny loharano, ny refy, ny singa mamaritra ary ny tahan’ny fahaloton’ny rivotra iainana arakaraky ny toerana sy ny fotoana andrefesana azy. Ny tanjona lavitr’ezaka dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny fanangonana ireo antontan’isa ilaina hitantanana ireo loharanon’ny fandotoana ny rivotra iainana, sy amin’ny fiarovana ny fahasalamana sy ny fiveloman’ny mponina.

Ny volana novambra 2019, ny Masoivoho Amerikana dia nametraka fitaovana fanaraha-maso ny kalitaon’ny rivotra ao aminy. Mandrefy isan’ora ireo particules fines izy io, ka ny maridrefin’ny kalitaon’ny rivotra iainana azo avy amin’izany dia sokajiana amin’ny alalan’ny loko hanavahana ireo ambana aterany ho an’ny fahasalamana. Ireo angom-baovao ireo dia zaraina amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny Andro, avoaka amin’ny tatitra mahakasika ny loton’ny rivotra iainana, ary taterina eo amin’ny fahitalavi-pirenena ihany koa. Ny daholobe dia afaka mijery mivantana ireo angom-baovao mahakasika ny kalitaon’ny rivotra iainana ao amin’ny tranokalan’ny Masoivoho, amin’ny Twitter, ary ao amin’ny tranonkala AirNow an’ ny sampandraharaha Amerikana misahana ny Tontolo Iainana. Raha te-hamantatra bebe kokoa ny ezaka atao mba hampihenana ny loton’ny rivotra iainana, dia tsidiho ny tranonkala OpenAQ.org na ny tranonkalan’ny Fikambanana Afrikana momba ny kalitaon’ny rivotra iainana as4aq.org.