Tsy fitanana ny teny nomena – Fositra iray mahapotika ny firenena ataon’ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Miandry inona ny mponin’Antananarivo renivohitra, fa efa tenin’olon-dehibe, efa lahiantitra mihitsy aza, izao no niteny aminy ny amin’ny hanaterana ny fako any aminy, fa izy no tomponandraikitra amin’ny fako miandrona raha misy izany telo taona lasa izay, kanefa tsy nisy nanatitra. Efa nisy nitarika iny olom-pirenena iray, na dia niaro politika aza tsy maninona izany, fa ny fanatanterahana ny nifanarahana eto no tokony hajaina. Mila hajaina ny teny nomena, fa hafahafa ihany raha miseho ho olon-dehibe manan-kaja kanefa tsy mitana ny nambara ampahibemaso ho ren-tany ren-danitra. Tokony hisy teny malagasy mazava hamaritana ny toetran’olona manao toy izany.

Ny olana lehibe eto amin’ity firenena ity, dia ny tomponandraikitra tsy mitana ny teny nomeny an’ny vahoaka malagasy nifidy azy. Iaraha-mahalala tsara izany raha miresaka ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Vazahabe, na ihany koa ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Maro teny nataon’izy ireo indrindra tamin’ny fampielezan-kevitra fa may ny te hahazo toerana fotsiny. Avy eo, aty aoriana zara raha misy notanterahina ny teny nambara. Raha tsy hilaza afa-tsy ny toy ny hoe hiova endrika, hadio amin’izay Antananarivo, hilamina ny mponin’Antananarivo satria mitovy loko amin’ny filohan’ny repoblika ny tenany, sns… Aiza anefa izao ity renivohitr’i Madagasikara ity? Renivohitra anisan’ny maloto indrindra aty Afrika. Toy izay koa ny an’ny filohan’ny repbolika. Nampilendalendaina ny vahoaka malagasy, fa hihatsara ny fari-piainana anaty fotoana fohy, ho mora ireo entana fanjifan’ny mponina andavanandro, ho foana ny delestazy, sns… marobe tsy voatanisa. Ankehitriny, ny Malagasy no vahoaka faraidiny indrindra maneran-tany, tafakatra 85% ny tahan’ny fahantrana, ary tsy hita soritra velively mihitsy izay fanantenana ny amin’ny hihatsaran’ny fari-piainany.

Moa tsy miendrika famitaham-bahoaka tsotra izao ve izany? Ary ho hatraiza izay famitaham-bahoaka izay, indrindra miditra indray amin’ny rivotry ny fifidianana 2023, izay efa tsy andrin’ny ny eo anivon’ny fitondrana ka misy hatrany ny fangalarana fiaingàna amin’ny fampielezan-kevitra ataony efa volana maromaro lasa izay. Manoloana izany, mitazan-davitra sy milalao tanana fotsiny ny eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na (HCC), amin’ireo fanitsakitsahana ny lalampanorenana. Tsy manan-kambara na tsy ahitan-teny ireo lazaina ho sehatra miady amin’ny kolikoly manoloana ireo tranga samihafa anaovana fitarainana na efa iarahan’ny besinimaro mahita izao. Etsy ankilany, rotiky ny tsy fandriampahalemana ny fiainam-bahoaka, ary tsy maharesy tosik’izany ireo lazaina ho mpitandro filaminana hatreto, sns… Izay sisa no niafaran’ilay firenena ary mampanahy ny hoaviny. Ny antony fototra iray lehibe amin’izany, ny tsy fitanana ny teny nomena… fa zavatra hafa indray no ezakezahina rehefa tonga eo amin’ny toerana.