EDITO 15 Desambra – Lalambe migodana – Tsy mazava ny fitsipi-dalao, asa peta-toko

Beharo

Marobe ireo olona mitaraina momba ilay lalambe migodana Antananarivo-Toamasina izay tsy mazava io, simba ny tanimbary sy tanimboly isan-karazany, ireo tompon-tany indray no mivaky loha etsy sy eroa mikasika ny taratasin-tany samihafa. Tsy fantatra ny ara-dalàna momba ny famoaham-bola sy ny tany izay tiana alaina tsy arakaraky ny fifanarahana, ka mahatonga azy ireo hiantsoantso ny Bianco, ny Pac, ny antenimiera roa tonta, mba hanara- maso akaiky ity raharaha maizina ity:” Asa peta-toko hoy ireo izay mahita “.

Raha atao indray mijery dia ilay fotoam-pankalazana natao teny Talata Volonondry sy ilay 80km io, izay tian-ko vitaina mialohan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana 2023, no mahamaika an-dRajoelina hoy ireo izay sendra anay, mba ho toky feno fitaka izany vanim-potoana izany indray raha atao indray mijery izay ihany. Atao avokoa izay fomba tsy rariny rehetra ahafahana mamikitra amin’ny toerana ho an’ireo izay efa eo amin’ny fitondrana, nefa dia mibaribary izao, fa izy samy izy hatrany no efa mifamingana raha ireny toe-draharaha hita tao amin’ny Antenimierampirenena ireny, teo koa ny raharaha SMMC, ny tsy mazava misy eny amin’ny Ceni, ary indrindra moa fa ny governemanta Ntsay, izay efa malaza ratsy ity, be olona tsy mahazaka ny andraikiny. Manampy trotraka izany rehetra izany ny tsy fanekena hanao fihaonambe, fikaonan-doha hoenti-manatsara ny lalàm-panorenana, ny lalàm-pifidianana izay efa kitoatoa hatramin’ny 2010 no mankaty.

Raha fintinina dia ny fanatsarana ny fitsipi-dalao, no kendrena amin’izany rehetra izany, fa tsy ilay faha-5 mialohan’ ny farany, na ilay laza ratsy mampalaza antsika aty Afrika momba ny resaka KOLIKOLY koa ohatra: resaka volamena,…