MBA METEZA HANETRY TENA

Ireny ve no mba lazaina ho mahay manetry tena,
Nefa dia misehoseho sy tia misalotra ny tsy azy?
Hisidintsidina, hisavoana, izany hatrany no kendrena?
Tena toy ny volom-borona hoy ireo mpamazivazy!

Ireny ve no mba lazaina ho mahay manetry tena,
Nefa loza raha hifety sy handanilany foana?
E! jereo ‘ty firenena, bokan-trosa, mahonena,
Nefa dia teleferika no tadiavina hirosoana!

Ireny ve no mba lazaina ho mahay manetry tena,
Nefa lalina ny fihetsiny raha vao vory ny vahoaka!
Fidedahana no betsaka, hainy ny mampanantena.
Raha fehezina dia tsotra: aotra fa tsy misy hapoaka!

Ireny ve no mba lazaina ho mahay manetry tena,
Nefa tsy afaka hampiato ireo karazan-drendrarendrany?
Hita taratra eny foana ny tsy ampy fahendrena.
Ampangain’ny hoerahoera sy ny tetikasa vendrany!

TSIMIMALO (06-12-22)