K25 Benelux – Fikaonandoham-pirenena ihany no vahaolana amin’ny krizy misy eto

Isambilo

Nandalo teto an-tanindrazana ny filohan’ny K25 Benelux, na ny komity manohana ny filoha Marc Ravalomanana any Belgique, Luxembourg ary Nederland na Pays-Bas, Hery Rasoamanana. Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena eto amintsika izy nandritra izany.

Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena amin’izao fotoana hoy ny K25 Benelux, ny vahaolana amin’izany dia tsy misy afa-tsy ny firosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena ihany hoy izy, no ialana amin’izao krizy samy hafa misy eto amin’ny firenena izao: krizy politika, krizy sosialy ary krizy ara-toekarena ihany koa. Fikaonandoham-pirenena, izay hitadiavan’ny avy amin’ny mpanohitra, sy ny mpomba ny fitondrana izay efa hita fa mivakivaky ankehitriny, vahaolana iombonana, satria ny hevitry ny maro no maha-taka-davitra.

Miantso ihany koa ity filohan’ny K25 Benelux ity, miantso ireo rehetra resy lahatra tamin’ ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, hiaro izay hanaovana fikaonandoham-pirenena izay. Mbola manentana ny rehetra hampandresy ny foto-kevitry ny filoha Ravalomanana koa izy ireo ary resy lahatra, fa ny MAP1 sy ny MAP2 an’i Dada dia lalana anisan’ny hitondra vahaolana amin’izao krizy misy eto amin’ny firenena izao. Entanina koa ny re-hetra hoy izy hiditra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana noho izany.

Efa mahatsapa izay tsy fetezam-pitantanana eto amin’ny firenena izay koa ireo depiote maro an’isa eto amintsika, tamin’ny saika nanaovan’izy ireo fitsipaham-pitokisana ny governemanta, anjaran’ ny rehetra noho izany ny miaro azy ireo. Ary tsy ny governemanta ihany no tokony hoesorina hoy ity Malagasy mpanao politika any ivelany ity, fa ny filoha Rajoelina mihitsy, izay mpamoky lainga ny vahoaka. Ohatra amin’izany hoy izy, ny lalana migodana izany raha any Frantsa na any Belgique, ny 120 km dia 5 taona vao mety ho vita ary ny fanomanana an’izany dia maharitra 2 taona, ka tsy mampino hoy izy ny hahavitana lalambe migodana 80 km ao anatin’ny 120 andro. Ankoatra izany, efa sangy mihoatra ny loha izao ataon’ny fitondrana izao, tsy afa-manoatra anefa ny vahoaka maro an’isa satria efa resy sy reraka, nefa mbola mino izahay hoy izy fa mbola hiposaka ny marainan’izy ireo.

Ho famaranana hoy i Hery Rasoamanana, jereo sy araho maso hentitra ny lisi-pifidianana, tokony hasiana sary koa ny kara-pifidianana hialana amin’ny hosoka sy ny « doublons ». Nasiany resaka koa ny tsy fahavitan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra manala ny fako, famonoana olona an-kolaka ny fako tsy afaky ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany, satria miteraka aretina maro samihafa. Noanteriny fa manohana ny foto-kevitry ny filoha Marc Ravalomanana ny K25 Benelux ary miasa ho amin’ny fiverenany eo amin’ny fitondrana indray.