Matsiatra Ambony sy Fianarantsoa – Manana solofo mpandimby ny antoko TIM

Isambilo

Naneho hevitra mahakasika ny raharaham-pirenena sy ny fiainan’ny antoko TIM any Matsiatra Ambony, sy any Fianarantsoa, ny filoha leftra nasionalin’ity antoko ity any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa teo aloha, Dr Rasolofenomanana Elysée, na Dr Elysée Zana-bahoaka. Nambarany fa andalana mahazo aina ny antoko TIM amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy amin’ny faritanin’i Fianarantsoa teo aloha. Porofon’izany hoy izy ny hetsika nataon’ny TIM tany Fianarantsoa, ny tanora no tena maro an’isa nanatrika an’izany ary mpianatry ny Oniversite avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Ny antony hoy Dr Elysée Zanabahoaka, mahatsapa ny tsy maha tafavoaka ny fitondrana amin’izao fotoana izy ireo, ka manatevina ny antoko TIM, izay antoko anisan’ny antoko manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena amin’ izao fotoana.

Tsy ho tafavoaka anefa ny firenena hoy izy, raha tsy haverina hitondra firenena indray ny filoha Ravalomanana, satria iaraha-nahita fa be ny zava-bita miantraika amin’ny fiainam-bahaoaka nandritra ny fitondrany, hita porofo tamin’ny fampirantiana nandritra ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko TIM teto amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony izany. Nanana sy manana ny anjara toerany lehibe amin’izany ny tanora, izahay koa tanora nanomboka nitantana ny antoko, tamin’izany nahavita fora zaza maimaimpoana niisa 1500, nialoha ny fifidianana tamin’ny taona 2018. Izao dia hita sy tsapa fa manana solofo mpandimby, na relève ny antoko, ny olana anefa tamin’izany fifidianana izany dia tratra ny tsindry ny olom-boatendry, ka nisy ny hala-bato, teto Fianarantsoa ohatra, misy ny porofo amin’ny hala-bato izay, noho ny famoahana biletà tokana.

Ka ny ezaka ataon’ny antoko amin’izao dia ny iadiana amin’ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara, satria tsy hisy fampandrosoana raha tsy misy fahamarinana. Ny fahamarinana tsy misy no tsy mahatafavoaka ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana, hoy ihany Dr Elysée Zanabahoaka. Ary ny FFKM dia efa nilaza an’izany koa: tsy hisy fampandrosoana raha tsy misy fahamarinana. Ny zavatra ataon’ny antoko aty amin’ny faritra amin’izay: ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana ary ny fanaraha-maso hentitra an’ izany, hanentana ny olona hifidy koa izahay amin’ny fifidianana ho avy.

Hama-fisiko ihany, fa matanjaka ny antoko najoron’ny filoha Ravalomanana amin’ izao fotoana, tsy vitsy ireo antoko teto vao niala teo amin’ny fitondrana ny mpitarika azy dia maty na nitsilopilopy ny antoko, toy ny PSD tamin’ny filoha Philibert Tsiranana, ny Arema tamin’ny filoha Ratsiraka, toy izany koa ny UNDD ny filoha Zafy Albert. Ny antoko TIM anefa hatramin’izao, mbola manana ny maha-izy azy foana ny TIM, na efa 13 taona aza tsy teo amin’ny fitondrana. Ary izahay amin’izao fotoana, mbola manetsika sy mamelo-maso, manao redynamisation ny fototra sy ny antoko amin’ny ankapobeny hatrany. Miroborobo tokoa ny antoko aty amin’izao fotoana, satria adinon’ny fitondrana Rajoelina ny aty amin’ny faritra izay nifidy azy, fa toa variana amin’Antananarivo izy ireo.