Lalambe migodana Talatavolonondry – Potika ny tanimbary sy tanimbolin’ny mponina

Stefa

Tokantrano tantsaha miisa 150 ao amin’ ny kaominina Talatavolonondry distrikan’Antananarivo Avaradrano, lalovan’ilay lalambe migodana kasaina hatao hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, no velon-taraina amin’izao fotoana, satria potika ny tanimbary sy ny tanimbolin’izy ireo amin’ny hanaovana izany lalambe migodana izany.

Tany am-boalohany dia voalaza fa tampon-tanety no handalovan’ilay lalana migodana hoy ireo tantsaha tompon-tany, ankehitriny anefa dia tanimbary sy tanimboly no potehana handalovan’izany, ka velon-taraina izy ireo satria fotoam-pambolena izao nefa potehana ny taninay, ka inona no hohaninay amin’ny taona ho avy raha izao no hitohy hoy izy ireo.

Nambaran’ny filoha Rajoelina ihany koa, fa hisy ny fanonerana ny tanin’ireo tantsaha lalovan’ny lalambe, tsy mbola misy izany vola izany hatramin’izao, ary mbola tsy nisy ny fifampiresahana mahakasika izany, hoy ihany ny tarainan’ireto tantsaha ireto. Araka izany, misy fanaovana tsinontsinona ny mponina ao anatin’ny ho fanaovana ity lalambe migodana ity.