Fianarantsoa: 20 taonan’ny TIM sy fetin’i Dada – Olona 2000 mahery niara-nisakafo tamin’ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Nitsidika ny tany Fianarantsoa renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM hatramin’ny omaly. Fety roa sosona no niarahany nifety tamin’ny tany Fianarantsoa tamin’izany, teo ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko izay najorony, teo koa ny fan-kalazana ny tsingerin-taona nahaterahany omaly 12 desambra.

Ankoatra izany, nisy koa ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa teo aloha, izay nahitana ny solontena avy any Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Va-tovavy, Fitovinany ary ny avy amin’ny antoko TIM amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ny nivoitra tamin’izany, fa miantso ny filoha Marc Ravalomanana hirotsaka hofidiana indray izy ireo amin’ny taona ho avy, satria efa latsaka an-katerena tanteraka ny firenena. Fa feno dia feno ny fandaharam-potoanan’i Dada tany amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony izao, ny sabotsy atoandro teo izy dia nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana maneho ny lalana nodiavin’ny antoko TIM nandritra izay 20 taona nijoroany izay.

Ny tolakandro, nampiofana momba ny fahaiza-mitarika, ireo kristiana tao amin’ny fiangonana FJKM Antarandolo Fitiavana, niaraka tamin’ny sekretera jeneralin’ny FJKM, Pasitera Jaona Rakotonindrainy. Ny alahady, niara-nivavaka tamin’ireo mpino tao amin’ny FJKM Fehizoro Mampiray Amponenana. Omaly alatsinainy, izay andro lehibe ho an’ny filoha Marc Ravalomanana, noho ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany, niara-niasakafo sy niara-nifety tamin’ny mpikatroka TIM, sy olona sahirana, miisa 2000 mahery avy amin’ireo fokontany rehetra ao amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony i Dada. Omby 2 no novonoina tamin’izany ho nofon-kena mitam-pihavanana. Nanotrona ny fotoana tany an-toerana ny sekretera je-neraly sy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko, Rina Randriamasinoro sy Jean Claude Rakotonirina, ny filoha lefitra nasionalin’ny antoko TIM any Fianarantsoa Dokotera Elysée.

Nambaran’ny filoha Ravalomanana nandritra izany, fa tonga amin’izay ny fotoana itenenana, tsy maha maika ahy ny hitondra indray, na izany aza, manana vaha olana amin’izao krizy samy hafa misy eto amin’ny firenena izao aho, hoy ity ray aman-dreny ity. Nambarany ihany koa fa tokony ho fifidianana 3 no hatao amin’ny taona 2023 dia ny fifidianana ben’ny tanàna, ny fifidianana ireo mpanolotsainan’ny kaominina ary ny fifidianana filohampirenena. Tsy vonona amin’izany fifidianana izany ny CENI hoy izy, nefa tsy azo ekena koa ny fandikana lalampanorenana amin’ny mety ho fanalavana ny fotoam-piasan’ny mpitondra. Ilaina ny fidirana anatin’ny lisitry ny mpifidy, tsy maintsy hisy foana ny fifidianana, tokony ho mailo sy hanara-maso akaiky izany koa ny mpifidy hoy ihany ity mpandraharaha mpanao politika ity.

Mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana, no fotrotry ny fahantrana, sy ny fahasahiranan’ny vahoaka ankehitriny. Nosoritany fa tena mahay ny Betsileo nefa be fandeferana, nanambara kosa ny solontenan’izy ireo fa tsy hanaiky lembenana sy handefitra intsony ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa sy ny Betsileo, fa hijoro hiaro ny tombont-soany sy ny vahoaka. Nalai-nisaraka i Dada sy i Fianarantsoa, nandritra ny hateloana nitsidihany ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony izao.