EDITO 13 Desambra – Raharaham-pirenena – Ny lainga mantsina manara-penitry ny mpitondra

Beharo

Hita sy tsapa tamin’izao fotoam-pamaranana ny taona 2022 izao, fa be ireo tandrevaka politika ataon ‘ny fitondrana Rajoelina, raha ny akom-baovao mi-paritaka eny rehetra eny. Tamin’ ny herinandro teo, no nankalazaina ny andro iadiana amin’ny kolikoly maneran-tany, izay tokony hanomezan’ny rehetra tsy an-kanavaka vahana ny fahamarinana amin’ny lafiny maro samihafa. Ny antsika eto Madagasikara moa dia efa ela no niadiana amin’izany ny Bianco sy ny Pac, miray dia amin’ny polisy sy zandary ary ny miaramila manodidina ireo hetraketraka sy toetra ratsy isan-karazany. Tsorina anefa fa be ireo dahalo ambony latabatra manao asa ratsy, izay manam-pa-hefana tsy lavitry ny mpitondra ny ankamaroan’izy ireny, ka tsy misahana asa amin’ny marina fa manao LAINGA MANTSINA hoy ny tanora raha ny fahitana azy.

Lainga mantsina hoy ny rehetra sendra anay, izay samy nanome rariny ny fitsipaham-pitokisana nosoniavin’ny solombavambahoaka 105, teny amin’ny Antenimierampirenena. Lainga hafakely no nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, sy ireo mpiray dia aminy, nolazaina fa tsy marim-pototra ny taratasy porofo niarahan’ny rehetra nanao sonia. Noporofoin’ny antoko sasany ihany koa ny alakamisy lasa teo, tamin’ny fitondrana fako iray garaba, ny tenin’ny ben’ny tanàna Vazahabe, ho fanehoana ny teny izay nataony fony izy nanao fampielezan-kevitra teo aloha ireny, hirotsaka ho fidiana.

Lainga mantsina ihany koa hoy ireo fokonolona Atsimondrano sendra anay, satria na ny andraikitra sahan’ireo ao amin’ny CENI aza, dia misy zavatra tsy mazava ny daty sy ny vola enti-manatanteraka izany, dia takona tanteraka, ary nilaza ny hafatra azonay, fa ny halatra sy ny tsy rariny amin’ny fotoam-pifidianana mety hitranga, dia ilay fitaterana voka-pifidianana hita ao anaty valopy be ohatra, ka ho entina eny amin’ny ati-tany na eny amin’ny foiben-toerana fanisam-bato, lasa valopy hosoka tsy mazava rehefa tonga eny amin’ny famoaham-bokatra. Lasa be ireo tandrevaka, feno lainga mantsina manara-penitra.