MIHOTAKOTAKA NY SAMBO

(Sary Tia Tanindrazana)

Marobe ireo hadisoana hita ho niverimberina.
Raha indray mandeha angamba, mety ho azo noleferina.
Saingy ny an’ireto kosa tena tsy hay isaina intsony,
Nefa ny modely tsara, moa tsy miainga avy any ambony?

Tato ho ato dia nalaza ho tsy milamina ny sambo,
F’efa toa mananontanona na ny loza na ny antambo.
Tena tsy hay na hoe fambara f’efa tena hipatitaka,
Fa raha ny mpandeha aloha dia miady sy mifanaritaka!

Samy toa mifanakiana, samy mifamely fantsy.
Mifanao antokotoko sy efa toa mifampihantsy.
Samy manamafy seza, samy te hanavotra aina,
Ka tsy tazana intsony izany hoe firaisan-tsaina!

Hita taratra sahady, hisy tsy hahatody morona,
Ary ny praiminisitra no heno fa ho lasa sorona.
Tombantombana io anefa fa ny ampitso no hanambara
Ny amin’izay ho fiafarana na ho tohin’ny tantara!

DADAN’i ZINA (06-12-22)