Fitakiana – Nafana ny fitokonan’ny mpianatry ny ENS teny Ampefiloha

Stefa

Nifarana ny 5 desambra teo ny fe-potoana nomen’ireo mpianatra ao amin’ny ENS etsy Ampefiloha ny tompon’andraikitra, ho famaliana ny fitakian’izy ireo. Noho izay antony izay, nitokona nidina an-dalambe ireo mpianatra omaly sy afak’omaly.

Nafana dia nafana tokoa izany fidinana an-dalambe nataon’ireo mpianatra izany, nisy ny fandorana kodiarana ho fanakanan-dalana, nisy ihany koa ny tora-bato nataon’ny sasany tamin’izy ireo ny mpitandro filaminana. Tapaka nandritra ny fotoana naharitraritra noho izay antony izay, ny fifamoivoizana teny amin’iny faritra Ampefiloha sy ny manodidina iny. Tonga teny an-toerana nandamina ny mpitandro ny filaminana.

Takian’ireto mpianatra ireto izay efa nahavita ny fianarany ka nahazo ny diplaoma Capen sy Mapen, ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana amin’izay, 600 mahery monja no voaray hatreto amin’ny toerana 1500.