EDITO 8 Desambra – Betsaka ny tsy rariny ataon-dRajoelina sy ny ekipany

Beharo

Betsaka ny tsy rariny ataon-dRajoelina sy ny ekipany amin’izao taona madiva hifarana izao. Mibahana ny sain’ny maro ohatra ny tsy fandraisana anjara atsy amin’ny Nosy Maurice amin’ny lalaon’ny Cjsoi, izay fingana lehibe tena manala baraka ny firenena tokoa, satria diso fanantenana ireo mpandray anjara izay efa niomana tamin’ny lafiny rehetra tokoa, nefa dia tsy nomen’ilay minisitry ny fanatanjahantena rariny akory na dia kely fotsiny aza, nataony toy ny izy mbola minisitry ny fitaterana hatrany: “Tsy mahazaka, tsy mahafehy ny ministera iandraiketany”.

Tsy afaka ao an-tsain’ny maro koa ny grevy etsy sy eroa, vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny volam-panjakana, teo ohatra ny volan’ ireo mpiasa eny amin’ny fampianarana ambony, ny karaman’ireo mpiraki-draharaha eny amin’ ny fitsarana, eo koa ny volan’ireo mpiasa eny amin’ny Antenimierandoholona, sy ny sisa…, izay efa fambara loza mihitsy hoan-dRajoelina sy ny ekipany, raha atao indray mijery.

Ny lafiny fitaterana, gaga ny rehetra hatramin’izao, fa mbola tsy nahatazana izany fiara vaventy fitaterana miisa 1000 isa izany tamin’iny volana novambra lasa teo iny, tapena-maso koa ny rehetra momba ny trangan-javatra ao amin’ny Air Mad ao, sy ny tsy rariny ataon-dry Rinah Rakotomanga, nefa dia mahafatifaty ity filoha tsy mato-tsaina ity hatrany, porofon’izany koa ny fanaovana làlambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, nefa mbola marobe ireo lalana mila fanamboarana sy hatsaraina na harenina be, toy ny any Anosibe An’ala, Ikongo, Ambatomainty, RN2, RN7, RN6, sy ny sisa…

Ny mahamaika an-dRajoelina dia ny hanaovana ny lalana 100km/ora na hahita fanenjika amin’izany làlana izany, nefa raha misy loza tsy ampoizina mitranga dia fahafaham-baraka koa izany. Ora 2 sy sasany no heveriny hanaovana izany 260 km izany, nefa Antsirabe 165km aza mbola any amin’ny 3 sy sasany na ora 4, na maherin’izany vao vita. Ny làlana efa ratsy, tsy asiana fanamboarana akory nefa mba lalam-pirenena ihany. Tsorina fa misy fetrany koa ny hafainganam-pandehan’ny fiara, ka raha 70km/ora no sahaza ny iray dia tsy tokony ianao filoha indray no hamporisika ny olona handeha 100km/ora na miohoatra izany. Ny fanonerana ny tanimbary, na ny tanin’ny olona mety ho lalovan’izany lalambe migodana izany koa dia mbola tsy fantatra ny mahakasika an’izay.