FIFIDIANANA 2023

Tsy marisika amin’izany ny mpitondra fanjakana,
Fa ny fandanianiam-poana no mafana dia mafana.
Fidedahana no maika, nolaroina fetifety.
Tsy tontosa izay kasaina fa mijanona ho makety!

Tsy marisika amin’izany ny mpitondra fanjakana.
Re ny ketrika maloto hanalavana taom-piasana.
Ny tsy fahampian’ny vola hoenti-miatri-pifidianana,
No efa mody atsiditsidika vao aty am-panomanana!

Tsy marisika amin’izany ny mpitondra fanjakana.
Ny hanamafy seza hatrany, izay no tena fikasana.
Ny “tetezamita” indray no anaty kajy efa voarindra.
Ny fitiavan-tseza mantsy, io no lehibe indrindra!

Ilay komity izay najoro hikarakara fifidianana,
Vao miteny dia efa tsinjo f’efa tena “nofahanana”,
Ka tsy misy tsara intsony mety mbola andrasana aminy.
Ny fitiavam-bola mantsy, izay no lehibe sy maminy!

DADAN’i RIANA (03-12-22)