Mandrosoa Ivato – Misokatra ho an’ny rehetra ny Cabinet Medical Manasoa

Aly

Misokatra ho an’ny rehetra ny Cabinet Medical Manasoa eny Mandrosoa Ivato.

Nanatanteraka varavarana misokatra, sy fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity toeram-pitsaboana tsy miankina ity, ny tompon’andraikitr’izany toeram-pitsaboana izany ny sabotsy teo tontolon’ny andro. Nambaran’ny filoha mpanorina: Dr Sylvie Razafintsalama nandritra izany, fa ity toeram-pitsaboana ity dia ana fikambanana dokotera, ny 26 septambra lasa teo izy no nosokafana, fa ny sabotsy teo vao natao ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, nampahafantarana koa ny mponina manodidina ny momba azy.

Azo lazaina ho mbola tsy ampy toeram-pitsaboana ny eny Ivato, Talatamaty, Mandrosoa Ivato sy ny manodidina, izay no anisan’ny nanokafana azy, hoy izy. Ny fitsaboana ny reny sy ny zaza no tena atao ao, fa misy koa ny fitsaboana amin’ny ankapobeny, sy ny fanarahana ny vohoka.

Amin’izao fipariahan’ny valanaretina covid19 izao indray, mandray an-tanana izany ny dokotera mpitsabo ny aretina rehetra, na généraliste, ao amin’ny Cabinet Medical Manasoa. Ny fanafody dia misy ireo fanafody mahazatra ao an-toerana.