12e Jeux de la CJSOI – Mampalahelo fa resy tsy niady ireo athleta Malagasy

Rainilita

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny kianja “Complexe Sportif de Côte d’Or” any Maurice, ny fifaninanana « Jeux de la CJSOI » andiany faha-12 ny alahady teo. Nisongadina tamin’izany ny tsy andraisan’i Madagasikara anjara, izay nambaran’ny Praiministra Maorisiana, Pravind Jugnauth, tao amin’ny fanokafana an’ity hetsika ity fa : “La délégation malgache ne sera finalement pas de la fête cette année. Pour l’heure aucune raison n’a été évoquée tandis que les compétitions débutent aujourd’hui », izany hoe tsy fantatra mazava ny tena antony tsy andraisan’i Madagasikara anjara.

Mampalahelo arak’izany, fa resy tsy niady akory ireo athleta Malagasy amin’ity lalao ho an’ny tanora aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ity. Taranja miisa 11 no handraisan’ireo athlete anjara, izay vinavinaina hatrany amin’ny 800 isa any amin’ity andiany 2022 ity. «Irariana fa hanamafy bebe kokoa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kinan’ireo nosy aty amin’ny Ranomasim-be Indiana ity hetsika ity, hoy Andriamatoa Jugnauth ». Nambarany ihany koa fa : «nanohana ara-bola betsaka an’ity fifaninana ity ny governemanta Maorisiana ary mampanantena hetsika miavaka mandritra ny 7 andro hanatanterahana ny fifaninanana ( 4-11 desambra 2022) ». Navoitrany koa teo am-pamaranana ny kabary fanokafana nataony fa: « Politikan’ny governemanta tarihany ny hampiroborobo ny fahaiza-manao eo amin’ny tanora ka tena ilaina ny fampiboroboana ny fanatanjahantena ao anatin’izany ».

CJSOI, tsy mandray anjara na forfait isika Malagasy, iza no tompon’antoka?
Tsy tonga any an-toerana ireo athleta malagasy tokony handray anjara amin’ny fifaninanana noho ny antony tsy fantatra hatreto. Raha ny vaovao farany dia efa teto Antananarivo avokoa ireo athleta rehetra ary voatery nalefa nody amin’ny tany niaviany avy aloha, mampalahelo ny athletantsika, efa nanoman-tena fatratra nefa tsy lasa izao, sambany tao anatin’ny 60 taona no nisy an’izany noho ny tsy fahaiza-mitantan-dry Rajoelina sy ry ministra Tinoka Roberto.