Filoha Ravalomanana – Asio sary ny lisitra sy ny kara-pifidianana hialana amin’ny hosoka

Isambilo

Nanatrika ny fivoriamben’ny Vehivavy TIM Analamanga, sy ny hetsika nataon’ny TIM Avaradrano ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM ny sabotsy teo, tetsy Bel’Air Ampandrana, sy tany Alasora Avaradrano.

Araka ny nambaran’ny filohan’ny Vehivavy TIM ANALAMANGA, Rahelisoa Arphine nandritra ny fotoana tao amin’ny QG Bel’Air, tonga nanome toromarika ny vehivavy TIM ny filoha Marc Ravalomanana, manoloana ny raharahampirenena misy ankehitriny sy ny fifidianana ho avy amin’ny taona 2023. Tao Bel’Air, nambaran’ny filoha Ravalomanana fa: ” faly aho ary tena faly tonga mitafa aminareo Vehivavy TIM Analamanga. Azo lazaina fa tena miditra tanteraka eo amin’ny fanomanana ny fifidianana amin’izao fotoana, izao. Ho an’ny antoko TIM rehetra dia tsy maintsy hamafisintsika ny FIRAISANKINA, mba hahafahana miady sy manohitra ireo tetika maizina izay mety ataon’ny sasany. Lavo ny firenena ka mila fanavotana sy fanarenana haingana. Tsapa tokoa ny tena fahavononana sy ny fahasahianareo vehivavy mijoro ho an’ny fanarenana ny firenena.”

Teny Alasora Avaradrano, nanambara i Dada fa: ”ho antsika mpikambana amin’ny antoko Tiako i Madagasikara eto amin’ny Distrikan’ Avaradrano sy manerana an’i Madagasikara. Miraisa hina! Sahia mijoro! Mandraisa andraikitra! Porofoy fa manana ny maha izy azy ny Tomponandraikitra sy Mpikambana TIM, satria vonona sy afaka mandray anjara feno amin’ny fanasoavana ny firenena.”

Mahakasika ny fiomanana amin’ny fifidianana, nanentana ny rehetra hiditra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny filoha Ravalomanana, satria na ho ela na ho haingana tsy maintsy hisy foana ny fifidianana hoy izy. Momba an’izay, hialana amin’ny hosoka sy ny « doublons », tokony hasiana sary ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana. Notsiahiviny nandritra izany koa ny fihaonan’ireo mpitarika antoko politika teto amintsika, tamin’ny iraky ny SADC ny herinandro lasa teo. Mikasika ny SADC hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny SADC, tokony ho takiana amin’ny CENI ny fampiharana ilay protocole, na torolalana sy fepetra ny SADC momba ny fifidianana, ao anatin’izany: ny fandraisan’ny vahoaka rehetra anjara, ny fampiharana ny fahalalahana maneho hevitra sy fahalalahana mivory, fandraisana fepetra mba hisorohana ny ramatahora, ny kolikoly ary ny herisetra politika, ny fanajana ny fahamarinana, ny tsy fitanilana ary ny mangarahara eo amin’ny fikarakarana fifidianana.

Eo koa ny tokony hamerana ny vola ho lanian’ny kandidà isanisany amin’ny fifidianana. Noresahany tamin’izany koa ny fivorian’ny birao politika niaraka tamin’ny CENI, tokony ho mailo sy handraisana fanapahan-kevitra ny mahakasika ireto hoy izy: tsapa fa tsy vonona hanao fifidianana ny mpitondra satria ny tetibola hanaovana izany aza tsy ampy. Tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fanisana ny mpifidy izay ataon’ny CENI. Efa manomboka hita soritra fa mikatsaka ny hijanona eo amin’ny fitondrana amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny mpitondra, ka mihevitra ny hanao tetezamita rehefa tapitra ny tokony hijanonany eo. Noho ireo antony ireo hoy ny Filoha Ravalomanana, tsy maintsy hamafisina ny firaisankinan’ny TIM, ny RMDM ary ny mpanohitra izao fitondrana izao amin’ny ankapobeny.