Kabary momba ny lalambe migodana – Fanetrentenan’ny mpihatsaraivelantsihy no nataon-dRajoelina

Andry Tsiavalona

Fanetrentenan’ny mpihatsara ivelatsihy (fausse modestie) indray, no nataon’ny filohan’ny Repoblika IV-2, Andry Rajoelina, tamin’ny kabariny tamin’ny fanombohan’ny asa hanamboarana ny « làlambe migodàna » mampitohy ny Renivohitra, mandalo any Ambatondrazaka, sy Miami renivohitry ny « firaisan-kina sy fifankatiavana » (Miray Hina sy Mifankatia). Nambarany mantsy fa « tsy ny anarany no tiany hasongadina fa mametraka fotodrafitrasa ho lovain’ny taranaka » izy. Fa inona no ao ambadik’ireny kabariny niverimberina rehetra nanao hoe « hanao ny tsy vitan’ny mpitondra nifandimby nandritra ny enimpolo taona » ireny?

Tsy afaka miala Rajoelina Andry, fa fanasongadinan-tena ireny satria tsy mbola fantatra sady tsy mbola voafaritra akory izay ho nataony dia efa izany ny vava nataony. Manamarina izany koa ny nahazoany ny amboara « tompondakan’ny fanabeazan’aizana sy fananganana indostria », izay izy no nisongadina fa tsy ny Firenena Malagasy velively. Namoaka lahatsoratra ny gazety mpanohana izao fitondrana izao, fa « hampiray hina ny Faritra telo » : Analamanga sy Alaotra Mangoro ary Atsinanana ity làlambe migodàna ity.

Angaha tsy efa nampiray hina ireo Faritra telo ireo ny Làlampirenana faha-2? Mampiray hina ireo Faritra telo ireo koa ny làlamby, satria tena nilain’ny mponina nandalovany sy nisy fihantsonany, ka tsy ny mponina ihany no afaka nifamezivezy fa ny vokatra isan-karazany misy koa. Midika ireo fa tsy hisy tombony ho an’ny taranaka andalovan’ny Làlampirenena faha-2 sy ny làlamby velively ny fahavitan’ity làlambe migodàna ity, satria ho potika sy tsy ho azo hampiasaina intsony ny làlampirenena sy ny làlamby, ka hitoka-monina ny mponina any.

Fanasongadinantenan-dRajoelina Andry ny nanovàna ho « moderna » ny ao Anaty Rovan’i Manjakamiadana, izay nasiana “ascenceur” sy nanoloana « carreaux » ny gorodona ary nanorenana trano fidiovana ao anatiny. Fanasongadinantena ny nananganana ny « Colisée », satria tsy misy ifandraisany amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy ity fotodrafitrasa ity.

Iza no nikatsaka dera sy laza raha nanangana ny « Kianjan’ny Barea » sy ny kianja manara-penitra any amin’ny Faritra ny fitondrana Rajoelina Andry, satria tetibolan’ny fiadidiana ny Repoblika, angamba, no nanatanterahana azy ireny, ka izy tenany hatrany no nitokana azy, fa tsy ny minisitry ny fanatanjahantena izay takona tanteraka. Iza no hisoratra ao amin’ny tantaram-pirenena sy hisongadina eo amin’ity sehatry ny fanatanjahantena ity raha nanambara ny filohan’ny Repoblika, fa noho ny vavaka nataony tany amin’ny trano fidiovana, araka ny nambarany, no nampiakatra ny Barea tamin’ny dingan’ny ampahefa-dàlana raha niady ny ho tompondaka taty Afrika (CAN).

Tsy afaka mandà Rajoelina Andry, fa na inona na inona nataony (fametrahana vato fototra, fitokanana, fanarenana simba, sns…) dia ny anarany no tiany napetraka ho tantara lovain’ny taranaka, fa tsy ny fanasongadinana ny vokatsoa haterak’izany ho an’ny vahoaka sy ny firenena iray manontolo. Tsy fantatr’i Rajoelina Andry, fa raha tafaverina amin’ny laoniny ireo làlampirenena rehetra simba amin’izao fotoana izao dia hisongadina ho azy izy ary tsy hanenina, tahaka ny ankehitriny, ny mponina nifidy azy eny amin’ireny làlampirenena ireny.

Tsy azo hodian-tsy hita fa mampahatsiahy ny olompirenena sy ny mpampiasa ny làlam-pirenena faha-6 sy Faha-7 ary faha-2, raha tsy iresaka afa tsy ireo, an-dRavalomanana Marc ny nanamboarany izany. Matoa tsy misy vita hatramin’ny farany izay neverin-dRajoelina Andry natao rehetra dia tsy ny ho an’ny taranaka mihitsy ny tanjona farany, fa ny anarany no tiany ho tsiahivina kanefa raha izao toe-draharaha misy izao dia ho laza ratsy ho azy no ho lovain’ny taranaka.