EDITO 3 Desambra – Kolikoly amin’ny resaka letchi – Any amin’ny PAC ny baolina hoy ny Transparency International

Isambilo

Tsy hamono tena ny Transparency International Initiative Madagasikara (TI-MG), raha nilaza fa misy kolikoly avo lenta ny fandraharahana ny vokatra fanondrana letchi eto amintsika, hoy ny tale mpanatanterak’ity fikambanana iraisam-pirenena manana sampana eto amintsika ity, Ketakandriana Rafitoson, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy afak’omaly.

Nisy ny fanadihadiana lalina hoy izy nataon’ny TI-MG nandritra ny 3 taona momba ity raharaha ity, ka manana porofo izy ireo, mahakasika ny raharaha maizina amin’ity sehatry ny fandraharahana sy fanondrana letchi ity avy eto amintsika mankany ivelany ity. Tsy nitory ny GEL, na ny vondron’ny mpanondrana letchi koa izy ireo, fa nampahafantatra fotsiny ny zava-misy amin’ny mpitsara misahana ny ady amin’ny kolikoly ny momba izay fisiana fahalovana be izay, eo amin’ity seha-pihariana mampiditra vola be ity tokoa, nefa olom-bitsy no mitavana sy mifehy izany. Any amin’ny PAC arak’izany ny baolina ny amin’ny tokony hanenjehana ireo mpanao kolikoly ireo. Ka dia ho hita eo ny ho tohiny.

Tsara ho marihina momba ity raharaha ity, saika nanohana an’i Ketakandriana Rafitoson sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny TI-MG, Dominique Rakotomalala avokoa ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika, tamin’ny niakaran’izy ireo teny amin’ny polisy misahana ny raharaha toekarena. Vokatr’izay, najanona fa tsy nampiakarina tany amin’ny fampanoavana ny raharaha mahakasika azy ireo. Raha ny fahitana ity raharaha ity, tokony hitohy ny fanadihadiana hataon’ny PAC, satria manara-maso akaiky izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena eto amintsika, efa manana dosie rahateo izy ireo avy any amin’ny TI-MG, ka ny manamarina sisa ataony. Efa miandry trondro vaventy ny rehetra mahakasika ny raharaha tahaka itony, fa tsy ny trondro kely ihany no midoboka am-ponja lava izao.