ONTSA ANAO AHO RY MINISITRA !

https://fb.watch/h7E2MHR4oE/

Ontsa anao aho ry minisitra izay miketrika ampamoaka,
Ka mikasa hampiboridana ireo tale ambaninao,
Satria tsy hafa fa ianao no efa hohain’ireo vahoaka,
Noho ny ketrika maloto izay nataonao tao ho ao!

Orinasam-panjakana efa tsy maharin-tena
No hohazanao indray ka dia terena hividy fiara?
Hay dia resabe hatrany, nofonosina hafetsena,
Ny amin’ity ilay kolontsaina ho amin’ny mangarahara?

Ontsa anao aho ry minisitra mihevitra ny mbola hangorona,
Nefa maro ireo vahoaka no efa tena mitaraina.
Izy ireo hatrany hatrany no tsy maintsy lasa sorona,
Fa ianao miletra irery sady tena mandry saina?

Ontsa anao aho ry minisitra fa toa toy ny zazakely,
Ity ianao miserasera ary anaty fesiboky!
Raha ny momba anao anefa, be ny vaovao miely,
Ka meteza hisaina kely ry tsy mahalala voky!

IRINA HO TAFITA (30-11-22)