Antananarivo renivohitra – Mitohana toy ny fifamoivoizana ny asan’i Vazahabe sy ny ekipany

Beharo

Tsy voafehin’i Vazahabe sy ny ekipany intsony ny andraikiny, izay no azo amehezana ny zava-misy amin’ny fitantanana ny renivohitr’i Madagasikara amin’izao fotoana. Efa navoaka ny hetra ho an’ny manana trano eto Antananarivo, nidangana be avokoa izany, izao vao nisy ny fanalefahana. Izany no midika, fa tsy mba nisy fandinihana lalina mialoha izany, mialoha ny namoahana ireny hetran-trano nidangana be ireny. Izao vao mihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fiadidiana ny tanàna, efa voaporofo anefa tamin’ireny toe-javatra ireny, fa tsy ao mihitsy ny fitantanana miainga avy etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Hita porofo koa izao fa very tanteraka ny lazan’ny renivohitra noho ireo antoka nomena sy antsoantso izay natao tany aloha, miseho ho vazaha feno rehefa hanao zavatra; nefa vazaha tapany aza tsy tratra. Tsy voafehy amin’ny tokony ho izy, satria raha ny loto sy fako fotsiny ohatra, dia tsy azo iainana intsony raha atao indray mijery. Fiara vaventy 11 isa no nambarany fa atolotra ny C.U.A raha izy no lany hitantana ny kominina, mba hanadiovana ireo dabam-pako sy ny hanadiovana ireo faritra iva misy loto. Teo koa ny antsoantso fa hanamboatra ireo làlana simba eto amin’ny manodidina, nefa dia lainga fotsiny hoy ny vahoaka marobe sendra anay, porofo mazava ny eny Manjakaray sy Ambodivona, lavaka manimba fiara ary efa fotaka sahady amin’izao fahavaratra izao. Ny olana manaraka dia ny fitohanana etsy sy eroa ity, noho ireo loto sy lavadavaka voalaza ery aloha, zara raha misy polisy mba mandamina ireo làlana be posiposy sy sarety, toy ny eny Ambodivona sy Manjakaray hatrany, mba misy paositry ny polisy ihany nefa na polisy iray aza tsy tazana, mba mandamina nefa ny andro alarobia, andro tsenan’Andravoahangy.

Hita sy tsapa araka ireo rehetra ireo, fa mitohana toy ny fifamoivoizana avokoa ny asan’ny ben’ny tanàna Vazahabe sy ny ekipany, ny lalana rahateo mitohana ka nahatonga ny mponina Avaradrano hilaza taminay fa miala eo Analamahitsy hatreo Manjakaray ve dia 120 minitra vao vita, moa tsy efa kitoatoa avokoa no manodidina izany? ny orana rahateo efa latsaka, ny fako miparitaka sy mamofona n’aiza n’aiza, hita fa tsy feno intsony ny vitan’ i Vazahabe fa lasa tapany…