Fitondrana Rajoelina – Fitondrana lany henatra, tsy manana fanetren-tena

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra ny miteniteny foana sy manome toky an-kamehana ary mandainga, sy tsy misy fanetren-tena izao fitondrana amin’ny Repoblika IV-2, tarihan-Rajoelina Andry izao. Tena fitondrana lany henatra hoy ny mpandinika politika sy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena.

Tsiahivina mandrakariva mba hifantsika ao antsain’ny olompirenena tsirairay hahafahany mandray fanapahan-kevitra amin’izay olona heveriny, fa manana ny fahaizana sy traikefa ary fahendrena hoentiny mitantana ny Firenena amin’ny ho avy. Ny fotodrafitrasa na efa nametrahan’ny fitondrana teo aloha « vato fototra » (vato fehizoro) aza dia nidedahan-dRajoelina Andry niverenana nametrahana izany indray. Anisan’ireny ny Làlam-pirenena 5A mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar sy ny Làlam-pirenena 13. Nanome toky koa ity filohan’ny Repoblika IV-2 ity, fa novitaina tao anatin’ny tapa-taona ny Làlampirenena 44 mirefy valopolo kilometatra, izay tsy mbola vita tanteraka hataramin’izao. Nidehaka fa novitaina haingana ny « pipeline » hamatsy rano ny Faritra Atsimo, tsy ho an’ny fambolena ihany fa ho an’ny mponina sy biby fiompy ihany koa. Tsy tanteraka hatramin’izao làla-mahitsy farany (dernière ligne droite) hitantanan’izao fitondrana izao ny Firenena.

Nanonofy Rajoelina Andry fa natao tany Manakara ny fankalazana ny 8 Martsa 2022 ary nanambara tamin’ny mponina tany an-toerana fa notokanana ilay « pont Bailey » mankao Manakara Be ravan’ny rivodoza. Nafindra tao amin’ny Renivohitr’i Vakinankaratra ny fankalazana ny Andron’ny Vehivavy. Notokanana izany tamin’ny herinandro lasa ka nampandry adrisa indray ny filohan’ny lamasinina haingam-pandeha, ka nilaza imasom-bahoaka indray izy fa hanangana Oniversite any Manakara faritra Fitovinany.

Iaraha-mahatadidy fa vao nandray ny fitondrana Rajoelina Andry dia nanambara fa ho foana ao anatin’ny fotoana fohy ny delestazy ary raha 400 MW ny rianaratra novokarin’ny fitondrana nifandimby tao anatin’ny enimpolo taona dia hampitomboiny 400 MW amboniny izany ao anatin’izao dimy taona itondrany izao. Niha-mafy ny delestazy tato anatin’ny volana vitsivitsy ary manilika ny antony mahatonga izany noho ny lafiny teknika ny Jirama sy ny Minisiteran’ny Angôvo sy Akoran’Afo.

Naiditra am-ponja na tsy mahazo mivoaka ny tanànan’Antananarivo na eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, ny tomponandraikitra sasany amin’ity orinasam-pirenena ity fa nanodinkodim-bola nanao fitantanana tsy mahomby. Notokanan-dRajoelina Andry ny tohadrano mamokatra rianaratra 28 MW ao Farahantsana ny Alakamisy lasa teo. Tetikasa efa tamin’ny fotoana nitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery ity fotodrafitrasa ity kanefa tsy nanana fanetren-tena akory Rajoelina Andry mba nilaza fa fitohizan’ny asam-panjakana izany, fa izao vao vita ary izy no nitokana azy. Tsy mahagaga ny tsy fijoroan’izao fitondrana izao amin’ny fahamarinana, ka manasongadin-tena sy miseho ho mahavita zavatra sady tsy menatra miravaka ny vangin’ny voay tsy novonoiny. Hamokatra 28 MW ity tohadrano ao Farahantsana ity ary mbola nanipy ronono an-tavy ho an’ny Malagasy ka hamokatra herinaratra 500 MW indray ato anatin’ny dimy taona ho avy. Ny tsara ho marihana dia 28 MW eo amin’ny 400 MW nampanantenain-dRajoelina Andry no tanteraka herintaona mialohan’ny hifaranan’ny fotoam-piasany. Araka izany dia toa manonofy mbola hitondra ihany ity filohan’ny Repoblika ity aorian’ny fifidianana 2023.

Ny tsy maintsy ao antsain’ny olompirenena rehetra dia tsy hamelona sy hanarina velively ny orinasam-pirenena ny tanjon’izao fitondrana izao raha ny toe-draharaha iainana amin’izao fotoana izao. Entina manaporofo izany ny fanapotehana ny orinasam-pirenena Air Madagascar, ka nananganany ny Madagascar Airlines izay tsy mbola nahazo fankatoavana eo amin’ny sehatry ny fitaterana iraisam-pirenena hatramin’izao. Tsy takona hafenina ihany koa ny orinasam-pirenena Secren any Antsiranana izay sahirana sy mifofovolo fa tsy mandray vola efa ho herintaona izao ny mpiasa. Torak’izany koa ireo orinasa mpamokatra siramamy (Sirama) ao Brickaville sy any Namakia ary Ambilobe. Rehefa tena dinihana ireo toe-draharaha ireo dia te-hihazakazaka amin’ny fanorenana orinasa tsy miankina ny fitondrana Rajoelina Andry, satria izay ny fomba mahomby indrindra hangoronan-karena an-daniny sy hampahantrana ny vahoaka Malagasy sivifolo isan-jato mahery an-kilany. Tsy maintsy hampahafantarina izao mpitondra izao fa mbola maro ny Malagasy sady manam-panahy no olonkendry no manam-pahaizana no manana traikefa afaka hanarina ity Firenena ity, ka ho avy ny fotoana hitsarana ny nataonareo rehetra.

Izao fitondrana izao koa no hita fa namono ny zotran-dalambe FCE, tamin’ny nividianany lohamasina roa izay tsy misy hisatra ny iray, ka tsy afaka nanao ny zotra intsony. Izao indray dia haverina hono ny zotra ary hiara-miasa amin’ny Madarail izay an’i Ravatomanga Mamy. Mbola bizina koa izany. Ny lalana Rocade Est izay efa tetikasa tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, notohizan’ny filoha Rajaonarimampianina, tsy menatra Rajoelina nitokana izany ary tsy nilaza ihany koa fa fitohizam-pahefana no nahavitana izany.