Antenimierandoholona – Tsy maha voaloa ny karaman’ny mpiasa koa

Stefa

Tsy maha voalo ny karaman’ny mpiasa koa amin’izao fotoana ny etsy amin’ny Antenimierandoholona. Nitokona tsy nety nandray ny asany ireo mpiasa eo anivon’ity andrimpanajakana mpanao lalàna ity omaly vokatry ny tsy fahazoan’izy ireo ny tambin-karamany. Tsy misy vola hamahana ny olana ny fanjakana. Efa nisy ihany ny fifampiresahana fa tsy nisy vokany. Raha ny fantatra, omaly no tokony niroso tamin’ny fandaniana ilay volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2023 ireo loholon’i Madagasikara.

Raha nanodidina ny 17 miliara Ar ny tetibola ho an’ny Antenimierandoholo teo aloha, izay nizara ho an’ny senatera niisa 63. Nahavoaloa ara-dalàna ny karaman’ny mpiasa ary nahazo solompenakoho ireo mpiasa rehefa fety. Ankehitriny dia nampiakarina ho 19 miliara Ar izany tetibola izany ary mizara ho an’ny senatera miisa 18. Ny mahagaga ny maro dia nahena ny isan’ny senatera, ny vola ampiasaina nampitomboina, kanefa dia tsy mahaloa karama ara-dalàna ny Antenimierandoholona tarihan’ny filohany Herimanana Razafimahefa.

Misy arak’izany ny tsy fahaiza-mitantana ao anivon’ity andrimpanjakana ity. Nilaza ireo mpiasa fa:”ny filoha RAJOELINA efa nilaza fa mandany vola ny ” senat ” ka saika nofoanany. Rehefa tsy tanteraka anefa izany dia nampitomboiny indray ny vola lanian’ny senatera. Karama volana novembra no tsy voaefa. Taloha, ampy tsara ny vola sady mbola nahazo solompenakoho, 13ème mois, gisa, vary, menaka, amin’izao anefa ny budget 19 milliards Ar,18 senateurs fotsiny, tsy mahazo karama mois de novembra akory. Mbola tsy nisy tanatin’ny 60 taona izay”, hoy ireto mpiasa ao Anosikely ireto.