Vehivavy TIM ANALAMANGA – Hanao fihaonambe ny sabotsy izao ao Bel’Air Ampandrana

Valosoa

Tsy mipetra-potsiny ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), fa efa mihetsika avokoa ireo rantsana manerana an’i Madagasikara. Manoloana izany indrindra dia hifamotoana ireo vehivavy TIM Analamanga, ao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM ao Bel’Air Ampandrana ny sabotsy izao manomboka amin’ny 9ora sy sasany maraina. Ny tanjona amin’izany dia ny handraisana ny toromarika avy amin’ny birao politika nasionaly manoloana ny fiatrehana ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana ho avy ny taona 2023.

Ao anatin’ny fankalazàna ny faha 20 taona nisian’ny TIM, izay ao anatin’izany ny vehivavy TIM, ka dia miandry ny toromarika koa izy ireo ao anatin’izany rehetra izany. Nanambara ny filoha vonjimaika ny vehivavy TIM Analamanga, Rahelisoa Arphine fa tokana ny tanjona ho an’ireo vehivavy mahatsapa ny zavamisy ankehitriny dia ny hametraka indray, ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena izay latsaka lalina ao anaty fahantrana.

Manentana ireo zoky efa tao anatin’ny vehivavy TIM, ireo mpikatroka rehetra ary izay manam-paniriana hiditra ho vehivavy TIM izy ireo fa ho raisina an-tanandroa satria ny firaisan-kina no hery. Manentana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana koa ny Vehivavy TIM Analamanga ary ho mailo amin’ny fanaraha-maso izany lisitry ny mpifidy izany.