Fenoarivo Atsinanana – Misy tsy milamina ny famoahana didim-pitsarana hoy ny RPSD

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, na Bebain, ny gazety ny Valosoa Vaovao, mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.

Tamin’izany aloha no nampahatsiahivany ny tantaran’ity antoko. Ny RPSD hoy izy dia nijoro tamin’ny taona 2012, filoha telo no nifandimby nitantara azy: Itompokolahy Tsiranana Pierre, zanaka lahimatoa ny President Tsiranana, ny faharoa Marson Evariste efa ministra, depiote koa… Ny filoha faha-3 amin’izao fotoana dia Andriantsizehena Benja Urbain dit “Bebain”, efa mpikambana tao amin’ny Kôngresy ny Tetezamita, nitazona ny filoha lefitra Faritany Fianarantsoa, efa depiote tao Manakara. Maro koa ny andraikitra notazoniny tao amin’ny Antenimierandoholona, governemanta, Antenimierampirenena.

Mahakasika ny toeran’ny antoko RPSD amin’izao fotoana, nilaza ity mpanao politika ity, fa miandry ny fanapahankevitry ny birao politika sy ny kôngresy izay hatao tsy ho ela ny ao amin’ity antoko ity. Mikasika ny fifidianana ho avy, manentana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD.

Fa ankoatra izany, araka ny tatitra avy amin’ny mpikambana ao amin’ity antoko ity, voarainy avy any Fenoarivo Atsinanana faritra Analanjirofo, misy tsy milamina ny famoahana didim-pitsarana any an-toerana, ka iangavian’izy ireo ny tompon’andraikitra, hanokatra fanadihadiana mahakasika izany.