Fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana – Tsy sahy miteny ny fitondrana ny Ceni sy ny Hcc hoy Rina

Ny Valosoa

Fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana, tsy sahy miteny ny fitondrana ny CENI sy ny HCC hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro. Tazanin’ny Ceni fotsiny izany fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra izany hoy izy, tsy mahagaga ny fahefana mpanatanteraka raha hitazana an’ireny satria izy no lehibe manatanteraka an’ izay.

Hitantsika tao anatin’iny fisehoana tany Manakara faritra Fitovinany farany teo iny hoy i Rina, ny vadin’ny filohan’ny Ceni nanatrika an’iny fotoana iny. Ny tiana ho resahana ao anatin’izay dia lasa mipetraka mihintsy ny ahiahy hoe “ny Ceni amin’izao fotoana ve tena hanao fifidianana madio sa rafitra natsangana hampandany kandida an’ny fitondrana amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo. Hoy indrindra izy: “raha manontany ianao hoe inoana ireny zavatra nisy ireny, pre- campagne ve ireny? ireny dia vokatry ny lalàna tsy misy, hoy ity mpikambana ao amin’ny birao politika nasionalin’ny TIM ity. Izay anie no takianay hoe ataovy manara-dalàna io resaka pre-campagne io, mba hahafahana mifehy ny eo amin’ny fitondrana. Fa ahoana izy no afaka manao an’ireny fihetsiketsehana rehetra ireny, firy volana mialohan’ny fotoana dia maninona ny hafa tsy mahazo manao?”