Sazy amin’ny fanitsakitsahana lalàna – Tsy misy sahy manasazy ireo andrim-panjakana na filohana andrim-panjakana

Andry Tsiavalona

Tsy maintsy halentika ao an-tsain’ny olompirenena hatrany ny fomba fitantanan’izao fitondrana tarihan-dRajoelina Andry ny firenena izao, mba tsy hiverenany amin’ny fisainana fa tsy hitondra fivoarana sy fanovana ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka ny safidiny eo amin’ny vato harotsany amin’ny fifidianana.

Amin’izao fotoana izao dia tsy misy sahy mandray ny andraikitra tokony ho raisiny mihitsy ireo andrim-panjakana na filohana andrim-panjakana, manana fahefana hanasazy na hanala amin’ny toerany ireo manitsakitsaka lalàna sy minia mikimpy amin’ny fibolisarana ataon’ny olom-boafidy na olom-boatendry. Etsy an-kilany kosa ny manampahefana dia misambotra sy managadra na mampihorohoro ny tsy ao anatin’ny fitondrana kanefa sahy mamotsipotsitra sy mampahafantatra ny fihetsika sy ataon’ny tsy mataho-tody mambotry firenena sy mampijaly vahoaka. Iaraha-mahita ary iainan’ny olompirenena maro ny fibodoana tany ataon’ny olona teratany na vahiny izay mandroaka olona eo amin’ny tany najariany mandritra am-polotaona maro. Ny loza dia misy ireo lazaina fa mpiaro ny vahoaka ny ny fanany tonga eny an-toerana miaraka amin’ny vadintany manala ireo mponina. Porofon’izany ny raharaha teny Antanandrano izay tombotsoan’ny vahiny no narovana kanefa fianakaviana an-jatony kosa no notadiavina noroahina.

Tsiahivina ny vola an-tapitrisa maro tao anaty baoritra tratra tao anaty fiaran’ny olomboafidy iray izay mbola nanome alàlana fitanterana, tsy misy fetra, voamboana tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Raha fintinina dia azo lazaina fa mpamerin-keloka izany ity olomboafidy ity. Mety manao asa sosialy eny amin’ny boriborin-tany nahavoafidy azy itony olona itony, hanafenana ny fambotriana ny Firenena, kanefa sarotra ny hihevitra fa mbola handatsa-bato ho an’ny olona toy izany ny vahoaka.

Sarotra ny hanadino ny “mazia” tao amin’ny Minisiteran’ny Harena an-Kibon’ny Tany ka volamena enina ambitelopolo kilao no mivadika ho takela-by. Ny zavatra hita dia sarimihetsika no tohin’ity tantara ity ka ho toy ny volamena izay nanjavona ihany ary “mitohy ny fanadihadiana”. Nanangana orinasa SPE ny mpitondra, fantatra fa ilay mpanefoefo eo an-kavanan’ny filohan’ny Repoblika no eo amin’ny fitantanana izany. Amin’izao fotoana izao dia ity orinasa ity no manao am-pihimamba ny fanafarana entana sy fanangonana ary fanondranana ireo vokatra tena mampiditra vola vahiny ho an’ny Firenena. Mampijaly: tsy ny mpamokatra amin’ny fividianana ny vokatra mora ihany fa ireo mpanangom-bokatra madinika koa.

Vao omaly ny omaly no nivoaka ny vaovao momba ilay tranoben’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolotsaina any Morondava izay nandaniana dimy miliara ariary ary nanaovana tolotrasa ara-pifanarahana (passation de gré à gré) izay mifanohitra amin’ny lalàna mifehy ny tolotrasam-panjakana. Tsy takona hafenina intsony ny famoriam-bahoaka ataon’ny filohan’ny Repoblika sy ny antoko eo amin’ny fitondrana izay manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana.

Tsy vao izao ny tranga eo amin’ny Antenimieram-pirenena ny fahataran’ny fahatongavan’ny lalàna momba tetibola ho amin’ny taona manaraka. Tsy vitan’izany fa tsy misy telopolo andro fa andro vitsivitsy no andinihana izany ka maro amin’ireo depiote no tsy mahafantatra izay tena voasoratra ao ka tsy mahay afa tsy ny mangataka fananganan-tànana ho fandaniana ny volavolan-dalàna. Raha tena mandray ny andraikitra napetraka taminy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia mijery ireny hetsika rehetra ireny (constat) fotsiny dia mamoaka didy fanesorana ny filohan’ny Repoblika eo amin’ny toerany. Tsy mbola sahy miroso amin’izany anefa ity Andrim-panjakana ity satria mamy loatra ny seza sy ny vola ka minia mikipy eo anolohan’izany fahotana mahafaty ataon’ny mpitondra izany.

Nalaza tanteraka ity raharaha Jirama ity tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay misy fifanitsahana andraikitra eo amin’ny Minisitera sy ny Orinasam-pirenena Jirama. Sahirana ny olompirenena satria tsy fantatra intsony iza no manao inona ary iza no tena manodikodim-bola ao amin’ity orinasa ity. Raha ny vaovao vao omaly dia voasaringotra amin’ity fanodikodinam-bola ity na ny mpitantana ny minsitera na ny mpitantana ambony ao amin’ny orinasa. Raha izany ny toe-javatra dia araka ny fanaon’izao fitondrana izao dia ny manilika ny andraikitra any amin’ny hafa foana.

Marary ity Firenena ity, marary saina ny mpitondra, malemin’ny fahantrana ny vahoaka, araka izany dia mila tsaboina ireo aretina mikiky eto Madagasikara ireo kanefa raha ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao no antenaina dia hihombo ny aretina.