EDITO 1 Desambra – Manara-penitra, tsy manara-penitra no misy

Sôh’son

Hopitaly manara-penitra, EPP manara-penitra, Tranoben’ny Kolontsaina manara-penitra no malaza ankehitriny. Firy tamin’ireo voalaza fa fotodrafitr’asa manara-penitra nanaovana werawera nanomboka tamin’ny tetezamita moa no tena mamaly izany hoe fenitra izany? Toa manara-penitra, tsy manara-penitra izy ireny. Firy tamin’ireo fotodrafitrasa ireo no efa simba sy nirodana sahady, firy tamin’ireo no tsy azo nampiasaina akory satria “tsy manara-penitra” araka ny anarany?

Ankehitriny, Oniversite manara-penitra indray izao no hanaovana werawera hoe ataon’ny mpitondra. Mazava ho azy amin’izany fa propagandy no tena tanjona, nefa volam-bahoaka no lanilany fotsiny. Ny olana misy eny amin’ireo Oniversite 6 manerana ny Faritany aza tsy misy vahaolana (trano fonenan’ny mpianatra, vatsim-pianarana, karaman’ny mpampianatra). Vahoaka noana tsy manan-kohanina, marary tsy afaka mitsabo tena ve no ndeha hanovo fianarana eny amin’ny Oniversite mody lazaina hoe manara-penitra?

Mpampianatra any amin’ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa aza tsy ampy, nohon’ny tsy fahampian’ny vola tokony homen’ny fanjakana, koa Oniversite manara-penitra no hidedahana? Hanafatra mpampianatra hono, kanefa ireo malagasy manam-pahaizana aza mitsaoka any ivelany daholo izay afaka, fa kely ary tsy mahavelona ny karama, mpanao bizina sy politique daholo ny mahazo ny mamy rehetra, ary izy ireo ihany sisa no tena afaka miwerawera sy miliba manana villa sy fiara tena raitra, fa ny malagasy maro an’isa, dia efa tena sahirana mitady ny sakafo ho arapaka isan’andro.

Tena maha lasa eritreritra sy mampalahelo ny zava-misy ankehitriny, manarapenitra nefa tsy araka izay ny zavatra misy toy ny seho tany Morondava, rava tanteraka ilay nolazaina fa manaraka ny fenitra.