SAO DIA SOLOMBAVAN-GISA ?

Zava-tsy hahasoa vahoaka no lanian’ny maro an’isa.
Izay no baiko avy any ambony ka tsy maintsy tanterahina?
Solombava o! mandiniha fa aza mifanahin-gisa.
Voky pirina va re ka lasa jamba na koa pahina?

Efa tsy hainareo intsony ny manilika ny ratsy
Ve ry gisa lava tenda falifaly ny mihoaka?
Marobe ireo tena noana sy efa tena lany vatsy,
Nefa mainka ampijaliana ho bokan-trosa ny vahoaka?

Teti-bola mampahantra, sady tena tsy hampivoatra,
No terena holaniana sy hankatoavina maimaika?
Maro ny hambo diso toerana, hadedahana be loatra,
Ka mandeha any amin’ny tsy izy na ny tetika na paika!

Ny tarehy no hosora-menaka mba ho mandina, madio,
Kanefa kibon’ny vahoaka no manomboka mivonto!
Dia nalefa indray ny tsindry hoe avy hatrany dia lanio
Ity teti-bola peta-toko mampalaza an’ireo donto?

…Izay tsy donto kosa izany, omena alalana hitoraka,
Sa dia tena ho enjehina ary mainka koa hazaina?
Hatreto aloha ‘nareo mpitondra dia efa hita ho mivoraka,
Satria tsy maintsy hangorona entana f’efa volana no isaina!

TSIMIMALO (28-11-30)