TIM Toliara – Manomana fatratra ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko

Stefa

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra hankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Araka ny fandaharam-potoana manaraka dia ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana indray, no handray izany fanamarihana izany amin’ny volana desambra ho avy io.

Efa manomana fatratra izany fankalazana tsingerin-taona izany, ireo mpitarika sy ireo mpikatroka ao amin’ity antoko ity any amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana izay nataon’izy ireo dia natao tao amin’ny Magro Andaboly. Arak’izany, andrasana any amin’ny tanànan’ny Masoandro indray, amin’ny volana desambra ho avy io ny filoha mpanorina sady filoha nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana.