Mpivarotra any Mahajanga – Tsy manaiky fampakarana avo 10 heny ny tamberim-bidy

Niaina

Tsy manaiky ny fampakarana tamberim-bidy sy mihoa-pampana amin’izy ireo, ireo mpivarotra any Marolaka Mahajanga faritra Boeny. Ho fanoherana izany, nilanja sorabaventy ireto mpivarotra ireto omaly. Nidangana efa ho avo 10 heny be izao ny fiakaran’ny tamberim-bidy (ristourne), izay takiana amin’ny mpivarotra any amin’ny faritra Boeny. Nanao antso fidinana andalambe arak’izany ireto mpivarotra ireto, mba hanairana ny tompon’andraikitra.
Marihina fa 20 Ar teo izany tamberim-bidy izany teo aloha, kanefa izao lasa nidangana ho 200 Ar be izao, izany hoe nahitana fiakarany avo folo heny be izao. Tsy any Mahajanga ihany, io fanararaotana fakana vola amin’ny mpivarotra na amin’ny mponina amin’ny mponina io, fa misy izany koa eto Antananarivo, toy ny fidanngan’ny hetran-trano izay alain’ny kaominina ihany koa, tsy zakan’ny ankamaroan’ny mponina.