FIFA World Cup Qatar 2022 – Mitantara mivantana ireo lalao rehetra ny MBS Radio FM 95.4

Isambilo

Tsy ho diso anjara amin’ny fanarahana mivantana amin’ny alalan’ny onjampeo ireo lalao rehetra amin’ny Mondial 2022 atao any Qatar, na ny FIFA World Cup Qatar 2022, eo amin’ny baolina kitra, ireo izay mihaino ny MBS Radio FM 95.4 Mhz.

Tantaraina mivantana ao amin’ity onjampeo ity avokoa ireo lalao rehetra amin’ity fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny ekipam-pirenena eo amin’ny baolina kitra ity. Mitarika izany fitantarana izany ny mpanao gazety isany ao amin’ity onjampeo tsy miankina ity: Rufin Rakotomaharo, Rina Rabemananjara, Faniry Razafy, Avotra Solondraibe ary Mario.

Arak’izany, ho ara-potoana no hanarahan’ny rehetra ireo lalao rehetra atao amin’ny Mondial any Qatar, noho izay fampiainana mivantana ny lalao ataon’ny ekipan’ny MBS Radio izay.