Ambovombe Androy – Nanafika tao an-tampon-tanàna ny dahalo

Niaina

Efa tena sahy mihitsy ireo dahalo any amin’ny faritra Androy any, nanafika tao an-tampon-tanànan’Ambovombe renivohitry ny faritra omaly vao maraina ny dahalo. Taxibrousse iray mampitohy an’Ambovombe sy Fort- Dauphin, niainga voalohany tao Ambovombe omaly alatsinainy tamin’ny 03 ora maraina, no notafihan’ny dahalo tao afovoan-tanàna akaikin’ny Oniversiten’Ambovombe.
Naratra ny mpamily, voaroba ny mpandeha. Tsy nisy ny aina nafoy.
Efa manao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.