Naverina eny Antanimora i Malama – Lasa anenjehana azy koa ny sarin’ny valizin’ny Filoha

Niaina

Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora i Malama, na Mahery Lanto Manandafy, rehefa avy niakatra teny amin’ny Fitsarana omaly. Natao fanadihadiana lalina tao amin’ny mpitsara mpanao famotorana izy nandritra izany. Hanenjehana ity mpanao politika, mpisintona lakolosy ity dia izy namoaka vaovao tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook, fa misy teratany vahiny mamatsy bala ny dahalo.

Io vazaha io no nitory azy noho ny hoe fanalam-baraka sy fampielezana vaovao tsy marina, ka nisamborana azy. Tsy mbola nohadihadiana ilay vazaha, izay efa nametrahan’i Mahery Lanto Manandafy fitoriana ihany koa, satria nandrahona azy ho faty. Ny raharaha mahakasika ity Vazaha ity sy i Mahery Lanto Manandafy dia anisan’ny ahatsapana ny fitanilan’ny fitsarana eto amintsika, ilay Vazaha nitory, tonga dia niakatra ny raharaha, fa i Mahery Lanto sy ny fianakaviany nitory kosa, dia odian’ny mpitondra sy ny fitsarana fanina fotsiny izao izany raharaha izany.

Mahakasika ity raharaha ity ihany, niampy indray ny vesatra anenjehana an’i Mahery Lanto, ny resaka famoahana sary ny valizin’ny filoha indray no nanaovana fanadihadiana azy omaly, teny Anosy. Nohadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana izy, noho ny fanaparitahana sarin’ny valizin’ny Filoham-pirenena tamin’ny tambazotran-tserasera. Olona miisa roapolo no voarohirohy tamin’io raharaha io. Mpiasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny roa, lehilahy iray, teratany malagasy, mpamily fiaran’ny ambasady any Frantsa, ary olona 17 hafa. Tsy anisan’ny voaantso natao fanadihadiana niaraka tamin’ireo olona ireo i Mahery Lanto Manandafy, tamin’ny fotoan’androny. Notazomina am-ponja any Tsiafahy ilay mpamily fiara, raha toa ka nomena fahafaha vonjimaika ny ambiny.

Mivoatra ny raharaha ankehitriny, ary lasa mahasaringotra an’i Mahery Lanto Manandafy indray ny valizin’ny Filoham-pirenena. Nilaza moa ity farany, araka ny famoaham-baovao nataon’i Doris Rakoto Samuel vadiny, fa raha mbola misy famotehana fiainan’olona toy izao, dia hijoro hatrany ny tenany.

Naverina eny Antanimora nitazomana azy nanomboka ny 30 septambra 2022, noho ny ampamoaka nataony tamin’ny Facebook, fa misy vahaza mamatsy bala ny dahalo i Mahery Lanto Manandafy, taorian’ny nanadihadiana azy teny Anosy omaly maraina. Andrasana ny ho fivoaran’ity raharaha ity.