Ambatolampy Tsimahafotsy – Renimpianakaviana namoy ny ainy noho ny fakana ny taniny

Helisoa

Tranga mampalahelo no niseho teny amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, fokontany Amparafarantany, distrikan’Ambohidratrimo, vokatry ny fakàna ny tanin’i Dadasolo sy ny taranany, izay efa nipetrahany nandritra ny 50 taona mahery.

Ny taona 1968 i Dadasolo no tonga nanajary ny tany tao an-toerana. Nisy ny dingana maro izay efa nataony toy ny fangatahana Prescription acquisitive (PA), izay azony soa amantsara ahafahany manajary ny tany. Avy eo izy nanohy ny dingana ahazoany tanteraka ny tany tato aoriana. Nandritra ny nipetrahany teo, ireo fianakaviana tafo miisa 22 ahitàna fianakaviana miisa 170 mahery dia tsy nisy olana raha tsy tamin’ity taona ity, izay nahatongavan’ny olona iray milaza fa azy ny tany ary efa misoratra aminy tanteraka. Taitra teo ry Dadasolo mianakavy, ka nandeha nitalaho tany amin’ny governoran’Analamanga naneho ny alahelony, satria naheno ny fanambaràna nataon’ingahy governora teny Faravohitra izy ireo niteny hoe izay mitaraina mikasika ny resaka tany dia afaka mandray anareo aho. Tonga teny tokoa ry Dadasolo, fa hatreto aloha tsy nisy ny zavatra hita izay vahaolana narosony ho an’ireo nanamaintimolaly ny tany.

Ny alarobia 23 novambra 2022 vao maraina lasa teo dia tonga tao amin’ny fokontany Amparafarantany kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy ny vaditany niaraka tamin’ny andian’olona miisa 50 mahery ary zandary avy ao Ambohidratrimo tonga hitandro ny filaminana tamin’izany, nandrava trano miisa 22 tafo. Taitra ny mponina, nefa tsy hitany izay natao, satria avy hatrany dia fampiasan-kery no natao tamin’ireto fianakaviana ireto araka ny fanambaràna nataon’ireo nanatri-maso. Nisy ny renim-pianakaviana iray tratry ny tsy fahasalamana vadin’i Dadasolo no namoy ny ainy vokatry ny zavatra nanjo azy ireo, satria ny fananana kely nohariana nandritra ny taona maro no potika sy ravarava. Etsy ankilany, lasa tsy manan-kialofana izy ireo, ka nanamboatra trano sachet ipetrahana.

Mahalasa saina ny zavatra misy ankehitriny satria maro ny ady tany miseho eto amintsika, hany ka na manana titra ara-dalàna aza dia tsy mahamenatra no maka izany rehefa tsiriritin’ireo izay manana fahefana. Maika moa fa tany mbola eo andalam-pangatahan’ny Malagasy sahirana tsy manana ianteherana sy vola no notsiriritin’ny manambola dia lasany ambongadiny avy hatrany. Ho entina aiza ity firenena ity e? ny filoha ankehitriny nanambara fa tsy haka tanin’olona izy na iray metatra azy. Aiza izany ankehitriny?