Morondava faritra Menabe – Nirodana ny Tranobe ny Serasera

Niaina

Nirodana ny faran’ny herinandro teo ny Tranobe ny Serasera sy ny Kolontsaina any Morondava faritra Menabe, trano izay efa nisy nitriatra fotoana maromaro lasa izay.

Araka ny fanambarana nataon’ny ao anivon’ny ministera tompon’andraikitra, nirodana vokatry ny orana sy ny rivotra nifofofofo ary ny andro ratsy nitranga tany an-toerana izany trano izany. Araka ny fanamarinam-baovao natao anefa, ny mponina any an-toerana dia nanambara, fa maina ny tany any Menabe ary mitady orana mihitsy aza ry zareo.

Tsy manara-penitra araka ny filazana azy arak’izany ilay trano natao, fa trano vitavita fahatany fotsiny matoa nirodana toy izao. Tsy afa-miala amin’izany ny orinasa nanao ny trano, fa tsy afa-miala koa ny ministera tompon’andraikitra, tokony ho nanara-maso ny naha-ara-dalàna sy nampanara-penitra ny fanorenana izy ireo.

Arak’izany, nisy indray ny vandy noforonin’ny ao amin’ny ministera amin’ity raharaha ity. Aza fahanana lainga lava ny vahoaka e!