Fiainan’antoko – Beazina amin’ny fahaiza-mitarika sy ny politika ny Tanora TIM

Isambilo

Manomana ireo solofo handimby ihany koa ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), eo amin’ny fanaovana politika eto amintsika. Beazina momba an’izay fanaovana politika izay, sy ny resaka fahaiza-mitarika ary fahaiza-mitantana amin’izao fotoana ny tanora ao amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity.

Tontosa ny zoma sy ny sabotsy teo ny fiofanana nataon’ny Solontenan’ny Mpitarika Tanora Tiako i Madagasikara avy any amin’ny faritra Menabe sy ny tao amin’ny Distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nanatrika izany fanofanana izany ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana, sy ny solontenan’ny birao politika ary ireo mpampiofana, nahitana depiote avy amin’ity antoko ity. Fanabeazana politika andiany faharoa izao natao teny Bel’Air izao. Nampahafantarina ireo tanora mpitarika tamin’izany ny asa sy ny fihetsika tokony hananan’izy ireo raha hanao politika, mba hahazoana fahefana. Ny fandresen-dahatra ny olona sy ny tanora mitovy aminy, amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny fomba fiteny. Nampahafantarina azy ireo koa ny rafitry ny antoko politika TIM. Hiatrika fifidianana isika amin’ny taona ho avy, natoro ihany koa ny hahaizana ny olona tokony hofidiana, sy ny fandresen-dahatra mifandraika amin’izany. Tokony ho modely amin’ny asa sy ny fihetsika hoy ireo mpandaha-teny ny Tanora TIM.

Ankoatra izany, amin’ny maha-antoko politika azy, manana projet de société, na vinam-piarahamonina ny TIM, manaja ny rafitra demokratika, ka amin’ny alalan’ny fifidianana no hakany fahefana. Mbola hitohy ho an’ny tanora hafa, avy amin’ny distrika hafa eto amin’ny Nosy, izao fampiofanana momba ny politika sy ny fahaiza-mitarika homena ny Tanora TIM izao.