Raharaha Gel sy Transparency International – Fitondrana sarotra diovina na hiaro tena toy ny inona aza

Sôh’son

Niezaka nanadio tenan’ny fitondrana ny minisitry ny serasera momba ny amin’ny raharaha Gel sy ny Transparency International mafana ankehitriny, izay misy fitoriana teny amin’ny fitsarana. Nambarany fa tsy misy idiran’ny fitondrana izany, izay toy ny milaza fa madio ny fitondrana ary tsy misy idirany io raharaha io. Fa tena madio tokoa ve ity fitondrana ity eo amin’ny fitantanam-pirenena tato anatin’ny efa-taona?

Niaraha-nandre sy nahalala tsara ny olom-pirenena, fa maro ireo zava-nitranga sy raharaha maloto nitranga teto amin’ny firenena tao anatin’izay nitondrany izay. Anisan’izany ny raharaha mbola tsy vita fanadihadiana na tsy mbola nisokatra mazava akory aza, ny tao Ikongo nahafatesana mpiray tanindrazana efa manodidina ny telopolo. Nisy rà latsaka sy aina nafoy tao anatin’izany. Fepetra noraisin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ireo “mpitandro filaminana” tany an-toerana no nahatonga izany. Tsy hita mazava izay fanazavana nataon’ny fitondrana momba izany.

Andry Rajoelina teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena, nisy fotoana iray, nilaza tamin’ireo olona tonga tao mpanohana azy, izay nilazany fa tsy ekena intsony ny fandatsahan-drà na aina ny mpiray tanindrazana taorian’ny raharaha 07 Febroary. Izao anefa amin’ny fotoana hitondrany, mitranga izany. Toy izany ny raharaha fonja tany Farafangana, izay tsy hita ny niafaran’ny fanadihadiana. Toy izany koa ireo raharaha maro samihafa, ny nahafatesana mpianatra tany Toamasina sy Toliara, tsy hita izay fanadihadiana sy ny niafaràny. Ny resaka écran plat, ny famoahana volamena an-tsokosoko any Afrika Atsimo, Nosy Kômoro, Nosy Seychelles, Dubaï, sns… Ny fijerena fotsiny tsy nisy fepetra noraisina momba ny depiote IRD ny amin’ireo hazo sarobidy notaterina tsy ara-dalàna, ny resaka bala nambaran’i Malama nilazany ny amin’ilay vazaha, ka nampidirana am-ponja azy.

Mihevitra ve ny fitondrana fa hadio amin’ireo raharaha maizina tsy hita fanadihadiana mazava sy tsy hita fiafaràna ireo? Sarotra ny hahadio azy na dia hanao teny fampanantenana be sy fampiesonana vahoaka toy ny tany Manakara ireny aza. Mba miaro tena ny mpitondra teniny ka miaro tena, fa tsy hahadio azy intsony. Zava-tsarotra ny hanadio izao fitondrana izao, efa tandalerona loatra ny loto aminy.